Tantara mikasika ny Azia
‘Peringatan Darurat’: Hetsi-panoherana tarihin'ny tanora iadiana amin'ny kolikoly sy ny kiantranoantrano ao Indonezia
"Maneho fotoana iray manan-danja eo amin'ny politika Indoneziana ny hetsika “Peringatan Darurat”, mampiseho ny herin'ny media sosialy hanentanana haingana ny hetsi-panoherana faobe."
Ireo fanondroana samihafa ny atao hoe “mainty” ao Sodàna
«Mihoatra lavitra noho ny habetsahan'ny "mélanine" ao anatin'ny hoditray izahay». Manomboka amin'ny "mavo" mankany amin'ny "manga" sy ny sisa... fantaro ireo volon-koditra sy ny hevi-draikitra ara-kolontsaina ao Sodàna
Miady ho ‘Nepaley’ ireo ankizy teratany japoney-Nepaley
Lasa toerana manan-danja ho an'ny fianakaviana Nepaley mpifindra monina i Japana, saingy tsy maintsy mampifanaraka amin'ny fanabeazana Japoney ny zanany, miatrika olana amin'ny fiverenana amin'ny fampianarana Nepaley rehefa tafaverina an-tanindrazana.
Tondradranon'i Nepal: Fifalian'ny fetibe nivadika ho fahapotehana tanteraka noho ny voina tsy mbola nisy toa izany
Mialoha ny fetibe Dashain ao Nepal (tamin'ny) 3 Oktobra, niafara tamin'ny fahafatesan'olona 219 farafahakeliny ny tondra-drano mandravarava, ny fihotsahan'ny tany tamin'ny faramparan'ny volana septambra lasa teo, mamadika ny fotoam-pankalazàna ho voinam-pirenena lalina.
Andrana sary: Velona ao an-kianjan'i Chittaranjan Park, Delhi, ny fanahin'i Navratri
Ao anatin'ity andrna sary ity i Shivansh Srivastava, mpaka sary an-gazety, no mandrakitra ireo mpanao asatànana rehefa ry zareo ilay manome aina ny tanimanga masina iny mba hamoronana sampy hiatrehana ny Navratri, iray amin'ireo fety manandanja indrindra ao anatin'ny tetiandro hindoa
Tsy maintsy vahàn'ny filohan'Iran vaovao mandritra ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana ny famoretana ireo artista, mpanohitra
"Paikady tsy dia fantatra amin'ny fitondrana iraniana, nefa misy fiantraikany lalina amin'ny lasibatra ny fiaiken-keloka an-tery, ny fandraràna hiasa ary famerana amin'ny fivezivezeny."
Nahoana no mbola mitohy maty ireo ankizivavy sy vehivavy ao Tiorkia?
Fibabohana nataon'olona iray mponina tao am-bohitra rehefa voasambotra, nanampy trotraka ny horohoro tamin'ny tantara iray efa mahazatra loatra ao amin'ny firenena iray nisintaka tamin'ny fifanarahan'i Istambul tamin'ny 2021
Ireo fandresena sy fitsapan'i Afrika nandritra ny lalao paralaimpikan'ny taona 2024
Atleta manodidina ny 4.400 manerana izao tontolo izao no mifaninana hahazo medaily 549 amin'ireo taranjam-panatanjahantena 22 ifaninanana, Voamarika ny fisoloan-tenan'i Afrika, nahitana mpandray anjara para-atleta 312 avy amin'ny firenena 44.
GhostNets Australia: Avadik'ireo vazimba teratany ho harena ny fako
'Tombanana ho manome ny 10% raha kely amin'ireo fako an-dranomasina ireo fitaovana matoatoa. Eo amin'ny 500.000 hatramin'ny 1 tapitrisa taonina ireo fitaovana fanjonoana ariana any an-dranomasina isantaona'
80% no fiakaran'ny famonoana olona hita tao Iràna, taona roa taorian'ireo hetsipanoherana
Teo anelanelan'ny Ôktôbra2022 sy Septambra 2024, raha kely indrindra dia 1.452 ireo olona novonoina, fitomboana be izany raha 779 tamin'ny roa taona lasa, 2022 nialoha ireo hetsipanoherana