Tantara mikasika ny Tajikistan tamin'ny Jolay, 2014
Mbola Bahanan'i Tajikistan Hatrany ilay Tambajotra Sosialy Rosiana Malaza
Mandray ny andraikitra feno sy tanteraka amin'ny maha-mpiaro ny ara-moralin'ny daholobe azy governemanta ao Tajikistan - ary mpiaro manoloana ireo fanaratsiana ny governemanta. Nanampy isa ny Youtube ao anatin'ny lisitr'ireo tranonkala voabahanan ny tambajotra Rosiana Odnoklassniki, tamin'ny 18 Jolay.
Manahy ity Rosiana Mpanoratra Gazety ity Fa Mety Hifindra avy any Tajikistan Mankany Rosia ny “Tahotra Mpitsikilo”

Efa ho iray volana izao no nitazonan'ny manampahefana Tajik tsy ara-drariny an'i Alexander Sodiqov avy ato amin'ny Global Voices ho manao asam-pitsikilovana. Tokony hampanahy ny Rosiana koa ity "santatra Tajik" ity, araka ny fandresen-dahatra nataon'ilay mpanoratra gazety Igor Rotar.
Mitabataba Izao Tontolo Izao Hoe #FreeAlexSodiqov (Avotsory i AlexSodiqov) Nandritra Ny Fiaretan-tory Manerantany
Tsy mpitsikilo Britanika i Alexander Sodiqov, mpikambana ato amin'ny Global Voices. Hetsika iraisam-pirenena ny #FreeAlexSodiqov (Avotsory i Alex Sodiqov). Manaporofo izany ity hetsika ity - iray volana taoriana ny fisamborana azy.
Mitohy ny Fifampitifirana Ao Amin'ny Sisintany Kyrgyz sy Tajik
Herinandro vaovao mbola nanjakan'ny herisetra hatrany tao amin'ny sisintany Kyrgyz sy Tajik. Araka ny filazan'ny manampahefana Kyrgyz, efa milamina ny toe-draharaha ao amin'ny sisintanin'ny Kyrgyz-Tajik, izay nahafatesana olom-pirenena Tajik iray tamin'ny 10 Jolay.