· Janoary, 2008

Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy tamin'ny Janoary, 2008

Kazakhstan: fianjerana ovni

  10 Janoary 2008

Nosoratan’i Zhanna Zhukovany vaovao hafahafa amin’izay lazaina fa fianjerana Ovni (Zavamanidina tsy fanta-piaviana – Objet volant non identifié) any avaratry Kazakhstan nataon’ny lehiben’ny polisy tao an-toerana tamin’ny mpiadidy ny toerana.

Rosia : Nikolai Marr

  09 Janoary 2008

Mizara ny fiainana, ny tantara ary ny asan’i Nikolay Yakovlevich Marr i De Rebus Antiquis Et Novis: “Lasa mahay tenimpirenena maro malaza izy ary tokony ho mpampianatra tenim-pirenena ikoizana, noho ny fitiavany fatratra sy ny nibahana loatra tao an-tsainy ny petrakeviny tsy mety voasedra. Tsy niatrika fianarana tenim-pirenena na dia...

Global Voices : Tamberin’ny 2007 sy drafitra lehibe ho an’ny taona 2008

Tsy hisy nahavinavina fa ny Chinese ant farmers(tantsaha Shinoa taloha?) no tantara be mpamaky indrindra tamin’ny taona 2007 iny. Ireo tantara be mpamaky amin’ity vohikala ity dia ireo mpamaham-bolongana ao an-toerana izay lasa loharana sarobidy ho an’ny fantsom-baovao iraisam-pirenena ( sy mpitolona mavitriky ny demokrasia), tahaka ny fanoherana tany Myanmar,...

Azerbaijan: Izay Benazir Bhutto ve?

  05 Janoary 2008

Manahy fampitandremana tamin'ny famonoana an'i Benazir Bhutto ao Pakistan i Marilisa Lorusso's blog . Ao Azerbaijan, ohatra, noho ny fikisahana tsikelikely ho amin'ny firoboroboan'ny fivavahana silamo mahery fihetsika dia zara raha nisy ny adihevitra ny amin'izay mety ho tompon'andraikitra hafa tamin'ny famonoana iny tany an-toerana.  Onnik Krikorian

Nagorno Karabakh: Fampitandremana farany

  05 Janoary 2008

Nitroatra i Blogian raha nandre ny ny tenin'ny Filoha Azerbaijaney, Ilham Aliyev, nampitandrina farany ny foko Armenians miaina ao amin'ny faritra nitono-tena ho Republikan'ny Nagorno Karabakh — hitolo-batana amin'ny fitondrana Azerbaijaney na miala ny firenena. Onnik Krikorian

Armenia: Mahatoky

  05 Janoary 2008

Shooosh ao amin'ny Life in Armenia no gaga fa raha very tao Yerevan ny valiziny dia nisy nahita ka namerina ny entana soa amantsara.  Na dia malaza amin'izay any ampielezana aza fa misy mangalatra hatrany ny entan'izy ireo rehefa mitsidika any an-tanindrazana izy ireo, dia nomarihiny fa misy olona tsara sy mahatoky...

Georgia: Gina alohan'ny tafiotra?

  05 Janoary 2008

Tantarain'i TOL Georgia ary fa tony ny firenena Amin'izao andro mialoha ny fifidianana izao. Na izany aza dia manontany tena ihany ny mpamaham-bolongana hoe malalaka tokoa ve ny fifidianana raha itodihana ny zava-nitranga nandritra ny fotoana mialoha ny vanim-potoanan'ny fifidianana ary raha vakiana  ity soratra hafa ity ? Onnik Krikorian