Tantara mikasika ny Kyrgyzstan
Tatitra Unfreedom Monitor : Kirgizistana
Efa anaty tatitra iray izao ny valim-pikarohan'ny Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika ao Kirgizistana. Vakio ny tsonga iray dia trohy ny pdf manontolo momba izany
Ny tantaran'ireo Koreana ao Kyrgyzstan izay niova ho miozolomana
Ny fiovam-pon'izy ireo dia vokatry ny fanasilamoana indray an'i Kyrgyzstan , izay nanomboka tamin'ny taona 1991 taorian'ny nahazoan'i Kyrgyzstan fahaleovantena.
Afa-manasitrana ny adin-tsisintany ao Azia Afovoany ve ny mozika sy ny feminisma?
Vao namoaka hira vaovao ilay mpihira pop Tajik-Rosiana Manizha mampitodika any amin'ilay tanoravavy tantsaha Kyrgyz mianatra milalao hockey an-dranomandry amin'ny fomba matihanina, hetsika iray mampatanjaka azy sy ny vondronolona misy azy.
Miteraka hatezerana eny anivon'ny fiarahamonina Kyrgyz ny fitomboan'ny herisetra atao amin'ireo vehivavy sy tovovavy
Na dia teo aza ny lalàna nankatoavina mikasika ny herisetra ara-nofo (anisan'izany ny herisetra atao amin'ireo ankizy), ny fakàna an-keriny ny hovadiana sy ny herisetra ao an-tokantrano, lalim-paka ny tsy fetezan'ny rafitra fanatanterahana izany - saika efa lany andro.
Rosia, Shina, Afghanistan ary ireo firenena hafa ao Azia Afovoany : ny fifindra-monina sy ny asa an-terivozona-fanandevozana ara-nofo
Heverina ho singa manamora ny vondron'olona marefo ho eo am-pelatanan'ny fanondranana olona an-tsokosoko ny krizy ara-toekarena, ny fampihenana ny fandaniam-bolam-panjakana ary ny tsy fisian'ny asa.
Podcast: Manitsy ny vokatry ny korontana ara-jeopolitika i Asia Afovoany
Azavain'i Zhar Zardykhan, tonian'ny ao Azia Afovoany amintsika ny fiantraikan'ny savorovoro ao Afghanistan sy ao Okraina.
Atahoran'ny ao Azia Afovoany ny fitomboan'ny milisy ao Afghanistàna, raha i Rosia mbola manani-bohitra any Okraina
Hatramin'ny nakàn'ireo Talibàna azy tamin'ny Aogositra 2021, nikasa ny hiaro ny sisintanin-dry zareo amin'ny alàlan'ny fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny diplaomasia, indrindra fa miantehitra amin'ny hetsika Rosiana, ireo fanjakàna telo ao Azia Afovoany.
Fijerin'ny olona ao Azia Afovoany: Mandeha an-tany tsy fantany ny ONG kirkizy iray mpisava làlana
Raha miombona tantara sy sisintany ny firenena dimy ao Azia Afovoany, zara raha mihevitra kosa izy ireo hoe miaina anaty faritra iray. Misy ONG kirkizy iray manandrana mandalina azy ireo ho toy ny vondrona iray tsy mivaky.
Mitombo amin'ny alalan'ny kolontsaina sy fiteny ny herim-panintonana Shinoa ao Kyrgyzstan
Mbola mikasa hamoaka ny fiteniny sy ny kolontsainy any Azia Afovoany, mampiasa ny fitaovan'ny Ivotoerana Confucius i Shina mba hanamafisany ny herim-panintonany any Kyrgystan.
Resadresaka nifanaovana tamin'i Bektour Iskender, mpiara-nanorina ilay toeram-pivarotana anà Kyrgyz notafihina noho ny fanadihadiana mikasika ny kolikoly
Novambra, maty voatifitra ilay nanaporitsaka ny tantara, ary ankehitriny miatrika fanenjehana amin'ny resaka fanalambaràka eny amin'ny fitsarana ny Kloop.kg