Tantara mikasika ny Kazakhstan
Iray andro dia rava ny anganom-pahamarinan-toeran'i Kazakhstan, mitaintaina ny mpifanolo-bodirindrina aminy
Andro iray, nandroaka ny governemantany i Kazakhstan, nanakatona ny aterineto, ary nametraka tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina tao amin'ny firenena. Nanimba sy niditra an-keriny tao amin'ny tranoben'ny governemanta ny vahoaka ary koa tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Almaty mihitsy aza.
Manamafy ny hidim-baravarana amin'ny fahalalahan'ny media i Ozbekistan sy i Kazakhstan
Noraràn'ny governemanta Ozbeka ny fidirana ho an'ilay mpanao gazety vahiny iray, raha kendren'ny sampam-piarovan'ny fanjakana kosa ireo mpanao gazety sy mpikatroka any Kazakhstan.
Mihevitra lalàna vaovao hanakanana ny tambajotra sosialy i Kazakhstan
Natao hanakanana ny asa ataon'ny orinasan'ny tambajotra sosialy ao Kazakhstan ny fanitsiana lalàna vaovao. Mety hanamafy ny fitsikilovana ataon'ny governemanta ilay famerana nolazaina fa natao hiarovana ny zon'ny ankizy,
Mpanorina tranonkalam-baovao sady tonian-dahatsoratra nametra-pialana noho ny tsindry avy amin'ny manampahefana Kazakh
Nikatona nandritra ny 10 andro ny tranonkalan'ny Hola News noho ny Fanafihana be pitsiny. Avy eo nandao ny tetikasa ny ekipa fototra, noho ny tsindry avy amin'ny manampahefana hoy izy ireo.
Milaza ny solombavambahoaka iray avy ao Kazakhstan fa taratry ny fiainana andavanandron'ny firenena ny ‘Squid Game’
Nilaza ny mpikambana iray ao amin'ny parlemanta fa azo ampitahaina amin'ny fahantrana lalina sy ny tolona fiavotan-tena iainana andavanandro ao amin'ny firenena ny Squid Game an'ny Netfilx.
Mety tsara ho an'ny mozika rap ny fiteny Kazakh: Antsafa nifanaovana tamin'ilay mpaneho hevitra ara-kolontsaina Yevgeniya Plakhina
Hiraina amin'ny Kazakh mifangaro Rosiana, lalaovina amin'ny zavamaneno mpifindrafindra monina nentim-paharazana sy ny zavamaneno vaovao, anolotra tontolo mampientanentana sy amin'ny tontolo manankarena ny mozika hafa misy ankehitriny avy any Kazakhstan.
Fifandirana ara-bola momba ny trano fonenana, fifampitifirana nahafatesana olona dimy tao Kazakhstan
Namoahan'ny fitsaràna didy ny handroahana ankohonana kazhak iray tsy nahavita nandoa ny trosany tamin'ny banky. Notifirin'ilay raim-pianakaviana ireo manampahefana notendrena hampihatra ilay fanesorana.
Tranokalam-baovao ao Kazakhstan voarahona rehefa namoaka tantaram-panararaotana zaza tsy ampy taona
Matetika iharan'ny tsindry amin'ny asany ny mpanao gazety any Kazakhstan. Tantara mampalahelo momba ny fandrahonana ankizy ankehitriny no lasibatry ny fandrahonana atao amin'ny mpamoaka vaovao.
Nanampy tosika ireo mpikatroka amin'ny fihetsiketsehana ny artista hanavotana ny fitahirizan-drano ao an-drenivohitr'i Kazakhstan
Nanambatra hery hanoherana ny fivoaran'ny tanàndehibe ao amin'ny fitehirizan-drano ao Malyi Taldykol ao an-drenivohitra Kazakhstan ny vondron'ireo mpanakanto sy mpikatroka amin'izao andro ankehitriny izao.
Bilaogera voaheloka higadra noho ny fanamarihana ny politikan'ny teny ao Kazakhstan ho “tsy tia Rosiana”
Araka ny voalazan'i Taichibekov, “nikaroka ireo olona Rosiana izay manohana ny fanakanana ny fahitalavitra Rosiana, mandràra ny fiteny Rosiana, sy ny fanalana azy amin'ny Lalàmpanorenana” ny fanjakana Kazakh."