· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Kazakhstan tamin'ny Avrily, 2018

Kazakstàna: Tsangambato, Toekarena, Fananahana sy Haino Amanjery

Tsy dia mafana loatra amin’ny firesahana momba ny korontana misy ao amin’ny governemanta ofisialy ny tontolon’ny bilaogy ao Kazakstàna. Nanjary lasa lohahevitra malaza indrindra ho azy ilay fialantsasatra mahazatra amin’ny volana May, kanefa maro ihany koa ny olana hafa notaterin'ireo bilaogera.

23 Avrily 2018

Kazakstàna: Fihenjanana Ara-poko sy Fanamaivanana ny Maha Izy Azy

Firenena iray matetika mihambo ho mandefitra ny firaisam-poko sy ny fahasamihafan'ny finoana i Kazakstàna. Tsy ny rehetra anefa no mieritreritra fa endrik'i Kazakstàna maoderina io, satria miseho eny amin'ny fiainana andavanandro ny fihenjanana madinika eo amin'ny foko ary manjaka ao anatin'ny rafi-panjakana ny teratany Kazaka.

23 Avrily 2018

Kazakhstan: Ny zavakanto maoderina

Mpanakanto Amerikanina izay nandalo vonjimaika tany Almaty, Kazakhstan i Daniel Gulegos ary mamahana bilaogy ao amin'ny Travelpod izy. Raha tao Kazakhstan i Daniel dia namantatra ny zavakanto maoderina Kazakh, ary nihaona sy niara-niasa tamin'ireo mpanakanto tao an-toerana.

19 Avrily 2018

Kazakhstan: Mihatanora sy Mihamanjombona Ireo Avara-pianarana

Tsy dia vokatry ny adihevitra ara-pôlitika misokatra loatra ny famadibadihana ireo avara-pianarana sy ireo manampahefana ambony ao Kazakhstan. Manome tany lonaka ahafahan'ireo mpitsikera sy mpandinika mandalina ny antony ambadiky ny famadihana izato na izatsy ireo fialàna sy fametrahan'olona tsimoramora. Kanefa, misy hevitra iraisana: mihatanora hatrany ireo avara-pianarana.

18 Avrily 2018

Kazakhstan: Mitolona amin'ny Fiainana sa Miadana?

Tsy fanitaran-dresaka ny flazàna fa firenen’ny fifanoherana i Kazakhstan: ny fahantrana fahadiranovana eo anilan’ny harena voajanahary tsy hita pesipesenina, ny fitomboana ara-toekarena miaraka amin'ny fitotongananan'ny sehatra ara-piarahamonina sy ny fihitaran'ny fahefam-panjakana, ary ny fandeferana mifanila amin’ny fanavakavahana.

16 Avrily 2018

Ireo pejinay momba an i Kazakhstan

Қазақстан