Tantara mikasika ny Kazakhstan tamin'ny Marsa, 2018
Kazakhstan: Toetry Ny Firenena
Tsy mandalo mihitsy eo ambany mason'ny mpitoraka bilaogy ny hetsika ara-politika goavana eo amin'ny firenena. Tamin'ity heriandro ity izao dia fotoana nandraisan'ny filoham-panjakana ao amin'ny firenena fitenenana. Tsy faly tamin'ny fandrakofan'ireo fantso-pahitalavitra sy ireo gazety rehetra eo ambany fanaraha-mason'ny fanjakana momba ilay fanentanana..... ny mpitoraka bilaogy.
Gazetibokin'ny Fahasalaman-Dehilahy Ao Kazakhstan Miteny Ratsy Ny Fahasalaman'ny Vehivavy
"Raha misy fanentanana feminista (manindrahindra ny maha-vehivavy), tokony hisy vazivazy momba ny fanentanana feminista, raha tsy zany, fanakavahana ny lehilahy izany."
Kazakhstan: Miady Hevitra Momba Ny Milina Fikarohana Nasionaly Ny Bilaogera
Nanoratra tao amin'ny bilaoginy, natokana hiresahana momba ny olan'ny fampandrosoana ny Teknolojiam-baovao ilay bilaogera Kazakhstani Nurlan, niresaka momba ilay antsoina hoe "KazNet" mety hanana ny milina fikarohany tsy ho ela izy ary nanonona dokambarotra napetraka tao amin'ny tranonkala ofisialin'ny Sampam-panjakana ho Fampiasana Solosaina sy ny Fifandraisana (AIC).
Kazakhstana: Mpilalao Pôlitika Novàna Toerana
Mety miseho ho mangina sy mipetrapetraka ny sehatry ny pôlitika ao Kazakhstana nefa ao anatiny ao, tena mihetsiketsika.
Lesona Momba Ny Fiteny: Mbola Miady Hevitra Momba Ny Fiteny i Kazakhstan (Fiteny Kazakh sa Rosiana)
Mampalahelo fa lasa fahazarana ho antsika ny miteny Rosiana noho ny vahoaka vitsivitsy izay tsy miteny Kazakh. Raha miteny Kazakh isika, tokony hianatra ireo izay tsy miteny izany.
Kazakhstana: Ny Maha-Hafahafa Ny Ankehitriny Nomerika
Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy, nifantoka kokoa tamin'ny fanandratana ny sehatrin'ny fifandraisandavitra sy ny vaovao mifandraika amin'ny Aterineto ao Kazakhstana ny tontolon'ny bilaogy any.