Tantara mikasika ny Azerbaijan tamin'ny Janoary, 2023
Nahatezitra ny governemanta tao Azerbaidjan ny tsy fahatongavan'ny iraisampirenena nitsidika ilay faritany antom-pifandirana teo aloha
Toa nanafintohina an'ireo manampahefana ny tsy fisian'ireo solontenan'i Etazonia sy Frantsa nandritra ilay hetsika natokana ho an'ny "famerenana amin'ny laoniny sy fanarenana" ireo faritany tafaverina amin'i Azerbaijan taorian'ny ady.
Ireo tsy voaaro: Ny zara fa mba fiarovana atolotry ny pôlisy ho an'ny vondro-mpiarahamonin'ireo LGBTQ+ ao Azerbaijan
Marobe ireo olona LGBTQ+ miatrika fanavakavaahana sy herisetra ao Azerbaidjan no zara raha afaka miantehitra amin'ireo pôlisy na ny rafi-pitsaràna ôfisialy
Jiosy An-tendrombohitra: Topimaso mikasika ny fiainan'ireo vitsy an'isa ao Azerbaijan
Manome topimaso momba ny fiainan'ireo Jiosy An-tendrombohitra ao Azerbaijan ny fampirantiana any Berlin, vondron’olona avy any Persia izay nanorim-ponenana tao Kaokazy ary nitazona ny mari-panondroana azy ireo mandraka ankehitriny.
Nosamborin'ny polisy ao Azerbaijan ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny andro nitsarana ilay mpikatroka
Tamin’ny 23 Desambra, nikasa hanao fihetsiketsehana ho fanohanana an'i Hajiyev ny vondrona mpanohana rehefa namoaka didy ny fitsarana ambony ao Baku fa hitazona an'i Hajiyev ao am-ponja.