Tantara mikasika ny Azerbaijan tamin'ny Desambra, 2021
Tsy raharahaina, tsy ilaina, tsy omena famelàna
Rehefa 8 Novambra, Andro Fankalazana ny Fandresena, andro fialantsasatra vaovao napetraky ny firenena hankalazàna ny fandresen'i Azerbaijana tamin'ilay Ady Faharaoa tao Nagorno-Karabakh, azo sary niravoravo ireo andian'olona tao afovoan'i Baku, nohorakoraka no sady nandoro saina Armeniàna.
Nakaton'ny fampanoavana Tiorka ny raharaham-pahafatesan'ilay mpikatroka Azerbaijaney, Bayram Mammadov
Enimbolana taorian'ny nahitan'ireo mpiambina morontsika Tiorka ny vatana mangatsiaka an'ilay mpikatroka Azerbaijaney, Bayram Mammadov tao Istanbul, namoaka ny valin'ny fandidiam-paty farany ny biraon'ny lehiben'ny fampanovana Tiorka
Didian'ny Fitsarana Iraisampirenena hanao izay tsy hisian'ny fankahalàna ara-poko i Armenia sy Azerbaijàna
Nodidian'ny fitsarana avo ao amin'ny Firenena Mikambana, ny Fitsaràna Iraisampirenena (CIJ), i Armenia sy Azerbaijàna, mba hiasa “ho fisorohana ny fihantsiana sy fampiroboroboana ny fankahalàna foko” taorian'ilay ady naharitra 44 andro tamin'ny taona lasa.
Mampanantena fivoarana i Armenia sy i Azerbaijan tao anatin'ny fihaonan'ireo mpitarika ao Sochi
Naneho hevitra momba ny fihaonana, nilaza ny filoha Rosiana Vladimir Potinina fa nahatratra fifanarahana momba ireo olana lehibe sasantsasany ireo mpitarika ka tsara ny fihaonana amin'ny ankapobeny.
Any Azerbaijan, mbola olana ny fitandrohana any an-tsekoly
Manao ankivy ny sekoliny i Ali Malikov, mpianatra amin’ny kilasy famaranana ao amin'ny lisea, taorian'ny tsy fisian'ny fandraisana andraikitra avy amin’ny mpitantana ny sekoly sy ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena mba hamahana ny fampijaliana sy ny fanorisorenana.