Tantara mikasika ny Azerbaijan tamin'ny Marsa, 2018
Armenia: Mahatsiaro Ny Vono Olona Tao Budapest
Nanamarika ny faha-dimy taona namonoana an'i Gurgen Margarian, 26 taona, manamboninahitra Armeniana nanatrika ny programa Fiarahamiasan'ny OTAN momba ny Fandriampahalemana tany Budapest, Hongria ny andron'ny omaly. Maty novonoin'i Ramil Safarov, Azerbaïdjani nanatrika izany fotoana izany koa, tamin'ny alalan'ny famaky izy raha tao anatin'ny torimaso.
Azerbaijan: Fihetsiketsehana Tany Londres sy Paris Ho An'ireo Mpikatroka Bilaogera Tanora Nogadraina
Nanao fihetsiketsehana manoloana ny masoivohon'i Azerbaijan tany Londres sy Paris ireo mpanohana an'ireo bilaogera tanora mpikatroka nogadraina Adnan Hajizade sy Emin Milli ny andro nanemoran'ny fitsarana ambony ny raharaha.
Azerbaijana: Voampanga Ireo Bilaogera
Toy ny efa nahian'ireo mpanohana azy, ary nandritra ny dinika momba ny raharaha hanenjehana ireo bilaogeran-dahatsary tanora mpikatroka , dia efa nomelohin'ny fitsarana tao Baku, Azerbaijan i Adnan Hajizade sy Emin Milli.
Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Tononkalo, Andininy Sasany Avy Ao Am-pon'i Persia
"Ny alahelo ato am-poko, dia tahaka ny tendrombohitra/Ny fo eo ambanin'ny tratranao, tahaka ny vato."
Hitantsika Ve Indray Andro Any Ny Fiafaran'ny Fanarahamaso Ny Famoahana Vaovao ao Azerbaijana?
Toa ny olona rehetra no matahotra momba ny fanavaozana ny fitenenana an-tserasera fa tsy ny mpitondra ao Azerbaijana.
Azerbaijan: Antsafa Nifanaovana Tamin'i Arzu Geybullayeva
Na dia teo aza ny tsindrimpeo azony avy amin'ny fanabeazana tany Etazonia sy tany amin'ny Fanjakana Britanika , Arzu Geybullayeva, izay mpandalina ny faritra amin'izao fotoana izao, dia lasa iray amin'ireo bilaogera fanta-daza indrindra any Azerbaijan miaraka amin'ny bilaoginy Flying Carpets and Broken Pipelines .
Armenia-Azerbaijan: Antsafa Niarahana Tamin'I Elizabeth Métraux
Hetsika antserasera mampiasa bilaogy sy lahatsary mba hampifandraisana ny tanora Amerikana sy Armeniana ary Azerbaijani hiara-miasa amin'ny famoronana ny fampitam-baovao tompon'andraikitra ara-tsosialy ny DOTCOM, fandaharanasa novokarin'ny PH International ary tohanan'ny Departemantam-panjakana Amerikana. Miresaka amin'ny Talen'ny Fandaharanasa Elizabeth Métraux ny Global Voices Online.
Azerbaijan: Antsafa Niarahana Tamin'I Scary Azeri
Tsy an-kihambahamba fa tonga dia mivantana avy hatrany , kanefa amin'ny fomba mahatsikaiky foana, vetivety dia lasa nalaza haingana ny bilaogy ary nisy mihitsy aza ny lahatsoratra no naverin'ny fampitam-baovao navoaka tany an-tanindrazany any Azerbaijan.