Tantara mikasika ny Azerbaijan tamin'ny Jolay, 2008
Azerbaijan: Valandresaka momba ny fifidianana any Etazonia
Michael J. Totten's Middle East Journal no mitatitra fa hitsidika an'i Azerbaijan amin'ny volana ambony hanatrika valandresaka momba ny fifidianana any Etazonia sy izay zavatra mifandraika aminy any an-toerana. Mitady fanontaniana azo apetraka hoan'ny mpitondra fanjakana any (Azerbaijan) sy mpitondra fivavahana ary ny mpandraharaha avy amin'ny mpamaky azy ny bolongana.
Iran: Toerana maro noraisina ho vakoka iraisam-pirenena
Blogian no miresadresaka amintsika ny fampidirana ny monasitera Armeniana 3 any Iran ho ao anaty ny lisitry ny vakoka iraisam-pirenena alahatry ny UNESCO. Raha nahafaly ny mpamaham-bolongana izany hetsika izany, dia nahasosotra azy kosa ny tsy nihetsehan'ny UNESCO raha nisy vohitra Armeniana any ankodahodan'i Azerbaijan any Nakhichevan rava.