Tantara mikasika ny Armenia
Tafika Rosiàna misatroka manga, manome toky fa hanara-maso ny fiverenan'ireo Armeniàna rehetra gadra ao Azerbaijàna
Raha miroso amin'ny fampodiana ireo gadra ny andaniny sy ny ankilany, ao anatin'ilay fampitsaharana poabasy nosoniavina tamin'ny 9 Novambra 2020, mbola tsy hay hatrany izay tena isan'ireo Armeniàna gadra an'ady ao Azerbaidjàna.
Hiverina ny sidina mampitohy an'i Torkia sy Armenia
Taorian’ny fihaonana tany Moskoa, nanambara ny firenena roa tonta fa hiverina amin’ny 2 febroary ny sidin’ny orinasa an’habakabaka Tiorka Pegasus Airlines sy ny zotram-piaramanidina mora vidy Moldaviana FlyOne.
Didian'ny Fitsarana Iraisampirenena hanao izay tsy hisian'ny fankahalàna ara-poko i Armenia sy Azerbaijàna
Nodidian'ny fitsarana avo ao amin'ny Firenena Mikambana, ny Fitsaràna Iraisampirenena (CIJ), i Armenia sy Azerbaijàna, mba hiasa “ho fisorohana ny fihantsiana sy fampiroboroboana ny fankahalàna foko” taorian'ilay ady naharitra 44 andro tamin'ny taona lasa.
Miatrika vesatra kolikoly ny filohan'i Armenia teo aloha Serzh Sargsyan
Lazain'ny mpisolovavan'ity filoha teo aloha ity ho fiezahana hanodina ny fifantohana amin'izao krizy ara-politika sy ara-miaramila misy eo amin'i Armenia sy Azerbaijan izao ity fioampangana ny filoha teo aloha ho nanao kolikoly ity.
Mampanantena fivoarana i Armenia sy i Azerbaijan tao anatin'ny fihaonan'ireo mpitarika ao Sochi
Naneho hevitra momba ny fihaonana, nilaza ny filoha Rosiana Vladimir Potinina fa nahatratra fifanarahana momba ireo olana lehibe sasantsasany ireo mpitarika ka tsara ny fihaonana amin'ny ankapobeny.
Mpiara-miasa amin'ny fanavaozana ve ny Vondrona Eoropeana sy i Armenia?
Mampiseho ny fifandraisana lalina eo amin'i Yerevan sy i Bruxelles ny fampanantenan'ny Vondrona Eoropeana vao haingana momba ny fampiasam-bola mitentina miliara euros any Armenia ary nanavao ny fahatokisan'ny Vondrona Eoropeana ny lova navelan'ny revolisiona Armeniana 2018.
Vonona ‘handrindra ny fifandraisana’ i Tiorka sy i Armenia efa ho 30 taona aty aoriana
Efa ho telopolo taona taty aoriana, mieritreritra ny hanokatra ny sisin-taniny miaraka amin'i Armenia i Torkia. Nikatona nanomboka ny taona 1993 ny sisintany.
Aferam-pasipaorom-bakisiny sandoka tratra tao Armenia
Tombanan'ireo manampahefana fa olona maherin'ny 700 no nividy ireo taratasim-bakisiny sandoka tao Gyumri — tanàna faharoa lehibe indrindra ao Armenia.
Tatitra vaovao momba ny fironan'ny fahalalahan'ny aterineto manerantany any Torkia sy Kaokazy atsimo
Raha "misy fahalalahana" ny laharana misy an'i Zeorzia sy i Armenia tamin'ny tatitra tamin'ity taona ity, i Torkia sy i Azerbaijan kosa dia mitana ny laharana "tsy misy fahalalahana" noho ny rivo-piainana sarotra manodidina ny zo nomerika (ankihy) sy ny fahalalahana.
Manome tsiny an'i Azerbaijan noho ny fanitsakitsahana ny fampitsaharana ady i Rosia
Niampanga an'i Azerbaijan ho nanitsakitsaka ny fampitsaharana ady tany Nagorno-Karabakh ny Minisiteran'ny Fiarovana Rosiana satria nitombo hatrany ny fifandonana teo amin'i Armenia sy Azerbaijan.