Tantara mikasika ny Jamaika tamin'ny Marsa, 2021
Mahatonga an'i Karaiba hirehareha ny Google Doodle-n'ny Sir Arthur Lewis, ekonomista sy efa nahazo ny loka Nobel
Nomena ny lokam-pahatsiarovana Nobel amin'ny toekarena ity mpahay toekarena teraka St Lucian, izay fantatra amin'ny "maodely Lewis" amin'ny fampandrosoana ara-toekarena ity, tamin'ny taona 1979.
Nandao antsika ilay kintan'ny reggae Bunny Wailer, ny farany tao anatin'ny tarika « Wailers » tena izy
Tsaroantsika amim-pireharehàna ny fomba nitondran'i Bunny, Bob Marley ary Peter Tosh ny mozika reggea ho any amin'ny lafivalon'izao tontolo izao
Ny hatsaran-tarehy manjavozavon'ireo tendrombohitra manga ao Jamaika, azo sary
Fifaninanana maka saripika no nentina nankalaza ny faha-28 taonan'ny Valanjavaboary Nasiônalin'ireo Tendrombohitra Manga sy Havoanan'i John Crow, vao nampidirina tsy ela akory izay ho isan'ireo toerana lovan'izao tontolo izao ao amin'ny UNESCO. Indro ny topimaso tamin'ireo fampidirana nahazo loka.