Tantara mikasika ny Haiti tamin'ny Oktobra, 2010
Repoblika Dominikana : fepetra hiadiana amin'ny kolera
Maherin'ny 270 no matin'ny kolera tany Haïti ary manodidina ny 3000 no tratry ny aretina. Ny fipariahan'ny valanaretina, izay tao amin'ny tanànan'i Saint Marc no niantomboka, dia niitatra hatrany amin'ny renivohitra haitiana, Port-au-Prince, izay nahitàna tranga iray voamarina omaly. Ireo manampahaizana avy amin'ny OPS [Organisation panaméricaine de la Santé] fa fotoana no isaina dia ho tonga any amin'ny tany dominikana ny kolera. Mihetsika ireo mpitoraka bilaogy.
Fivahinianana iray ho an'ny feon'ireo tsy mba re amin'ny fananganana indray an'i Haiti
Solidar'IT ao Haiti dia fivahinianana iray ho an'ny feon'ireo tsy mba re amin'ny fananganana indray an'i Haiti, natsangana ho toy ny fanadihadina an-tranonkala mitohy.