Tantara mikasika ny Goiana
Noho ny faritra iray fitrandrahana solika, mihamafy ny ady tany ifanaovan'i Goiàna sy Venezoelà
Taorian'ny nahitàn'i ExxonMobil tahirin-tsolika tao Goiàna, mihamafy ny ady sisintany efa an-jato taona ifanaovan'i Goiàna sy Venezoelà
Ny raharaham-panonerana ao Karaiba: Fizaràna fahatelo
Afa-manana anjaran toerana goavana kosa ireo tetikasam-panonerana ara-drariny amin'ny fiatrehana ireo fanamby tahaka ireto: aretina mitaiza, fiovaovan'ny toetrandro ary ny COVID-19
Andiana abidy karaibiàna mitokelaka amin'ny TikTok
Lasa fomba iray entina miatrika ny valanaretina COVID-19 ny hehy sy tokiky, saingy ao anatin'ny vanimpotoana iray mahabe ireo "mpanefy hevitra" aty anaty media sôsialy, mbola misy olona afaka mitaky ny maha-tokamaiavaka ny asany sy ny resaka fizakàmanana ara-tsaina ve?
(2009) Topimaso momba ny Vovonan'i Amerika
Raha efa akaiky ny fanokafana ny Vovonan'i Amerika Fahadimy ahitana mpitondra miisa 34 avy amin'ny Ila Bolantany Andrefana hiara-midinika ny olana mifandraika amin'ny fanambinan'ny olombelona, ny tontolo iainana lovainjafy ary ny fiarovana ny angovo, ary mazava ho azy ny krizy ara-bola manerantany dia nanohy nanara-maso akaiky ny fivoaran'izany ireo bilaogeran'ny renim-paritra.
Karaiba : Momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety
Ry mpanao gazety [...], rehefa fankalazana ny andron'ny 3 May, Andro Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety, manantena aho fa ho tsaroanareo ny fomba niainanareo am-pilaminana teto
Ny famerenana fanisàna vato no hilaza ny vokatry ny fifidianana tao Goiàna hoy ny Fitsarana Antampony
Natao tamin'ny 2 Martsa ny fifidianana solombavambahoaka tao Goiàna. Ankehitriny, nandidy ny fitsarana antampony fa tsy maintsy mametraka ny tatitra ofisialy avy aminy ary mifanaraka amin'izay vokatry ny famerenana nanisa vatompifidianana ny Tale Jeneraly misahana ny fifidianana.
Karaiba-Etazonia : Fa mba aiza no misy an'i Allen Stanford ?
Hatraiza ireo mpanao politika any amintsika no ho voasaringotra anatin'ireny andrim-panjakana marary ireny ary indrindra indrindra, iza no mitantana azy ireny ? Raha tena misy tokoa ny fifandraisany amin'ireo mpanao politika any amintsika, hatraiza no fiantraikan'izany amin'ireo fepetra sy fanapahankevitra politika ?
Ny hatsaràna mambabo ao Karaiba aseho amin'ny Instagram
Gazetiboky roa miavaka miresaka ny fivahinianana ao amin'ny faritra no mankalaza ny hatsaràna natoralin'i Karaiba, amin'ny fiantsoana ny fahatongavantsaina hijery ireo fitodiana ara-pizahantany tsara indrindra ao aminy — vita printy ary ao amin'ny Instagram koa!
Latsabato ‘Fitsipaham-pitokisana’ Nohamafisin'ny Fitsaràna ao Goiana
Ny 31 Janoary 2019, ny filoha mpisolo toerana ao amin'ny Fitsarana any Goiàna dia namoaka didy nanome rariny ny fifidianana fitsipaham-pitokisana nangatahan'ny fiaraha-mitanan'ny mpanohitra. Homanina ho amin'ny volana Martsa ireo fifidianana ny ho filoham-pirenena vaovao .
Paragoay: Fanehoankevitra hafa an'ireo Bilaogera manoloana ny Fandresen'i Lugo
Taorian'ny fandresena goavana tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany, nanome ny eritreriny momba ny fanantenany amin'ny governemanta vaovao an'i Fernando Lugo ireo bilaogera sasany ao an-toerana, ny sasany kosa mijery ny fe-potoam-piasan'ny filoha teo aloha, Nicanor Duarte. Ny hafa kosa midera ny fandresena ny Antoko Colorado efa nandrasana hatry ny ela.