Tantara tamin'ny Tselatra sy Okraina
Novalian'ilay Rosiana mpihira ilay hoe ‘Voninahitra ho an’i Okraina’. Tian-dry zareo hofoanana ny zom-pireneny ankehitriny
Nanohitra an-karihary ny ady nanomboka tamin'ny volana Febroary 2022 ilay mpihira Valerii Meladze. Ankehitriny dia mety hiharan'ny voka-dratsin'izany izy noho ireo teny sendra nambarany tao Dubai ho fanohanana an'i Okraina.
‘Fa tena ahoana mihitsy no nahatonga izany?': Namoaka rakikira manohitra ny ady ilay Rosiana mpiangaly rap
Namoaka rakikira vaovao, "Maharitra dia Maharitra ny Volana Febroary." i Vladi, mpihira sangany ao amin'ny tarika rap malaza, izay voarara any Rosia ankehitriny. Manoritsoritra ny fomba maha-tsy takatry ny saina sy mampihoron-koditra ny fanafihan'ny Rosiana an'i Okraina io hira io.
Ho an'ireo fetin-tsekoly amin'ny alina hiandrasana Taombaovao ao Maosko, toa hoe tsy mendrika ny mozika sasantsasany
Artista miisa 29 no hita ao anaty lisitra. Ny sasany amin'izy ireny, toa an'i Little Big sy Manizha, dia nisolo tena an'i Rosia tany amin'ny fifaninanana Eurovideo. Izy rehetra ireo dia samy nanameloka mivantana ny fananihambohitra rosiàna ao Okraina avokoa.
Mahita fonenana vaovao ao Tiorkia ireo Rosiana manohitra ny ady
Tsy tena mazava tsara hoe Rosiana firy no tonga ao Tiorkia hatreto hatramin'ny fananiham-bohitra tsy nisy antony nataon'i Rosia tamin'i Okraina.
Fiainana, nitsahatra: Aina nafoy tamin'ny fanoherana tao Belarosia
Namoaka lohahevitra iray tao amin'ny Twitter i Hanna Liubakova, Belarosiana mpikambana ao amin'ny Atlantic Council, mpanao gazety sady mpampiofana media, momba ny tranga farany sady nanafintohina indrindra mikasika ireo gadra politika ao Belarosia.
Mitoreo ny havan'ireo Rosiàna noraofina ho miaramila: ‘Nilaozana toy ny alika izy ireny…’
Mijoro vavolombelona ireo havana fa tsy manan-kohanina na rano hosotroina ireo miaramila voaantso vao haingana, tsy afaka miverina avy any an'ady mandalo amin'ireo toeram-pisavàn'ny Rosiana ary tsy mahazo mandà tsy handeha any am-bava-ady.
Nihiaka hoe ‘Vladimir Putin’ ireo Tiorka mpankafy baolina kitra nandritra ny lalao nifanandrinana tamin'i Kyiv
Nihirahira hoe "Vladimir Putin" ireo mpakafy baolina kitra Tiorka nandritra ny lalao nifanandrinana tamin’ny ekipa Okrainiana Dynamo Kyiv, ho fanondroana ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina amin’izao fotoana izao. Nanaraka izany ny tantara ratsy iraisam-pirenena.
Fianakaviana mitolona mitady izay hanampiana ireo Azerbaidjaney tafahitsoka ao amin'ny tanàna iray tratry ny fahirano ao Okraina
Nandamoka ny fikasàna hamindra toerana ireo mponina, hatramin'ny 14 Martsa, daty iray izay nandaozan'ireo fiaran'olon-tsotra maherin'ny 160 ny tanàna nony farany.
Tsy mahita afa-tsy ao amin'ny tontolom-baovao ataontsika manokana ve isika?
Afaka manaraka ny vaovao amin'ny fiteny maro izahay ary manao tsoa-kevitra, misafidy izay zarainay sy izay marihinay ho fandisoam-baovao.
Mivondrona ho fanohanana an'i Okraina ny Zeorziana raha sahirana hamaly ny solombavambahoaka
Olona an'aliny no nidina an-dalambe tao an-drenivohitra Zeorziana, Tbilisi mba hanameloka ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina.