Tantara tamin'ny Tselatra sy Afrika Mainty
Sambany hisy vehivavy hitarika oniversite eo amin'ny tantaran'ny firenena mozambikana
Mitovy amin'ny an'ny minisitra any Mozambika ny toerany ankehitriny amin'ny maha-lehiben'ny oniversitem-panjakana azy.
Hitsidika an'i Mozambika mandritra ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana amin'ny volana Septambra ny Papa Fransoà
Hikarakara fifidianana amin'ny volana Oktobra i Mozambika ary mbola ao anatin'ny fanarenana ny voka-dratsin'ny rivodoza izay nandrava tamin'ny fomba virtoaly an'i Beira, ilay tanandehibe lehibe indrindra faharoa.
Ilay Resabe Momba ny Charango
Tato ho ato, natolotra ho fanomezana ny charango maro. Nanolotra iray tamin'izany an'i Condoleeza Rice i Evo Morales, nanome iray ho an'i Bono ihany koa ny Filoha Shilianina, nipoitra àry ny adihevitra momba ny ''toetra manokana ara-moraly'' ananan'ity zavamaneno ity.
Very Noho ny Kolikoly ny 20-40%n'ny Famatsiam-bola Amin'ny Sehatry ny Rano aty Afrika
Manazava [amin'ny teny anglisy] ao amin'ny tranonkalan'ny Tambajotram-Panao Gazety WASH Afrika Andrefana WASHi Mustapha Sesay, Ambasadaoron'ny fahadiovam-pitantanana amin'ny sehatry ny rano ao Afrika Andrefana, : L’accès à l’eau potable à un prix abordable est un droit fondamental, mais celui-ci ne reçoit pas et de loin l’attention nécessaire. La corruption dans...
Efa Zavamisy Iainan'ny Ankizy ao Ambovombe Ny Faharavan'ny Sivilizasiona
Nilaza ny boky siantifika iray nivoaka tao amin'ny Journal of Ecological Economics fa "hitarika any amin'ny fianjeran'ny fiarahamonina ny fitrandrahana tafahoatra ny Asa na ny Natiora " raha toa ka tsy misy na inona na inona atao hisorohana izany.
Nandroaka Mpiasam-Panjakana Miisa 10 000 Noho ny Fanamboamboarana Diplaoma ny Filohan'i Tanzania
Ny fanapahan-kevitra dia ao anatin'ny fanambaran'ny Filoha John Magufuli hanitsy ny asam-panjakana
Mamadibadika ny tantaran'i Madagasikara amin'ny alalan'ny sary fahiny
Manahirana matetika ny fahazoana ny sarin-tantaran'ireo firenena voazanaka taty Afrika noho ny famerana fatratra ny fahazoana mijery ireo tahirin-kevitra ara-tantara. Nikaroka ny hamahana izany olana izany i Helihanta RAJAONARISON sy i Tsiry Fy-Tia SOLOFOMIHANTA avy eto Madagasikara ka nametraka ny tantaran'i Madagasikara hahafinaritra kokoa ho an'ny sarambabem-bahoaka tamin'ny fananganana ny...
Nahazo Fampitandremana Ny Haino Aman-Jery Malagasy Rehetra
Tanora Mpanao gazety misandratra, Heninkaja Rakotomanantsoa, talen'ny famoahana sy tonian'ny fanoratana ao amin'ny fahitalavitra iray eto Antananarivo, Madagasikara no namoaka izao sata manaraka izao. Hafatra avy amin'i Heninkaja Vonin'aina Herimonina Rakotomanantsoa. Mandroandroatra moa ny toe-draharaha eto Madagasikara hatramin'ny niverenan'ny filoha teo aloha voahongana, Marc Ravalomanana, an-tanindrazana indray. Samy...
Nisy Nirehitra Tao An-dapa Ambohitsorohitra
Fanamarihana: Ny sary rehetra ato dia nalain'i Avylavitra, ary ampiasaina irery ihany ho an'ny Global Voices Nisy firehetana nahataitra ny maro tao amin'ny Lapan'ny Fiadidiana ny Repoblika tao Ambohitsorohitra io folakandro io. Tamin'ny 04:55mn no niseho ny firehetana izay nahazo ilay cyprès lavabe tazana avy ety ivelany. Tamin'ny 05:08mn no...
La Nation: Manomboka Ny Fanenjehana Ireo Tsy Mitovy Hevitra
Niteraka resaka be teto Madagasikara ny mikasika ilay artikla faha 20 mikasika ny heloka atao ety anaty habaky ny serasera (cybercriminalité). Betsaka ny ranomainty no efa niraraka, maro ny feo no efa nisandratra sy niakatrakatra nanakiana azy iny, saingy dia lany teny amin'ny Antenimiera ihany moa ilay izy. Mitranga ankehitriny...