Tantara tamin'ny sy

Fanalàna Azy Nataon'ireo Libane Bilaogera Mikasika Ny Fandinihana Ny Fitafim-Behivavy Any Afovoany Atsinanana

  18 Janoary 2014

Nitarika fanalàna azy naha-toran'ny hehy tety anaty serasera ny fanontaniana avy amin'ny Anjerimanontolon'i Michigan hoe “Ahoana no Tokony ho Fitafim-behivavy ao Afovoany Atsinanana Rehefa Imasom-Bahoaka”. Manankarena raha samy votoaty ilay izy ka nahatonga ny filàna lahatsoratra iray ho fanampin'ilay iray voalohany navoakanay. Rehefa nizara ilay sary niandohana tao amin'ny Twitter...

Arabia Saodita: Ankamamian'ny Saodiana ve i Sarah Palin?

  16 Septambra 2008

American Bedu no maminavina raha azo atao olom-pirenena Saodiana filamatra i Sarah Palin: “Manohana ny fampianaram-pamoronana ny tany sy ny eo aminy izy fa tsy ny fampianaram-pivoaran'ny tontolo…Tsy manaiky ny fanalan-jaza izy… Ary ‘tokony’ hahalala zavatra maro momba ny solika izy satria avy any amin'ny fanjakana mpamokatra izany any Amerika.”

Arabia Saodita: Ho taranja ianarana ny Zon'olombelona

  10 Septambra 2008

Crossroads Arabia no milaza ny heviny amin'ny mety hampidiran'i Arabia saodita ny zon'olombelona ho taranja ianaran'ny mpianatra lalàna: “Tahaka ny hampianarana izay heverina ho ‘Zon'ny Silamo manerana ny tontolo’, dia zava-dehibe ihany koa ny hampianarana ny ‘Zon'olombelona maneratany’ araka ny ametrahan'ny Firenena Mikambana azy. Zava-dehibe tokoa ny fanondroana mazava ny...

Arabia Saodita: lalana fa tsy adiresy

  10 Septambra 2008

Stranger in this Dunya (vahiny eto amin'ity Dunya ity) no mitaraina fa toa tsy misy mampiasa adiresy ny eto Arabia Saodita: “Ny fanoroan-dalana no toa mora kokoa: ‘Eto amin'ny lalana Takhasussi isika izao, ilay tena manaraka ny Bankin'i Riyadh indrindra ary andamosin'ny fivarotana xyz. Ilay trano lehibe misy voaloboka amin'ny...

Arabia Saodita: Aza tsaraina amin'ny mahareny azy i Palin

  07 Septambra 2008

Mpamaham-bolongana mipetraka any Arabia Saodita Nzingha, manan-janaka dimy, no mahatsapa fa diso ny masontsivana itsarana an'i Sarah Palin: “Tsy tokony hisy ny tsy hanohana azy noho ny mahareny azy fotsiny tahaka ny tsy tokony hanohanana an'i Palin satria vehivavy izy. Tsy miankina amin'ny nonony tsy akory ny fahafahany manatontosa ny asa, fa...

Arabia Saodita: Roa no maty noho ny fanenjehan'ny polisy

  20 Marsa 2008

“Tovolahy iray sy tovovavy iray no maty tamin'ny lozam-piarakodia nampihoronkoditra iray raha nenjehin'ny polisy avy ao amin'ny vaomieran'ny fampielezana ny fahadiovam-pitondrantena sy fisorohana ny faharatsiana tany avaratry ny tanànan'i Tabuk izy ireo” hoy ny tatitry Saudi Jeans.