Tantara tamin'ny sy

Ilay Resabe Momba ny Charango

  18 Oktobra 2018

Tato ho ato, natolotra ho fanomezana ny charango maro. Nanolotra iray tamin'izany an'i Condoleeza Rice i Evo Morales, nanome iray ho an'i Bono ihany koa ny Filoha Shilianina, nipoitra àry ny adihevitra momba ny ''toetra manokana ara-moraly'' ananan'ity zavamaneno ity.

Mozambika: Sary tsy fahita matetika, filoham-pirenena eo am-pandihizana

  22 Oktobra 2011

Nahoraka sy nieli-patrana vetivety monja anivon'ny serasera Facebook any Mozambika ny sarin'ny filoham-pirenena Mozambikana Guebuza eo am-pandihizana, hany ka tafahoatry ny 500 ireo mpankasitraka ary maherin'ny 440 kosa ireo hafatra naterak'izany izany sary izany. I Miguel Mangueze, izay mpakasarin-gajety @ Verdade no naka izany sary tsy fahita matetika izany.

Mozambique: Fa maninona no tsy ampidirina amin'ny hopitalintsika ny mpitondrantsika

  29 Jolay 2008

Custódio Duma [pt] no mitondra vaovao ho antsika fa nentina haingana tany amin'ny hopitaly any Afrika Atsimo ny minisitry ny fiarovana Mozambikana Filipe Nyussi raha tapaka nandritra ny lozam-pifamoivoizana ny tanany. “Reko ny filazan'ny minisitry ny fahasalamana tao amin'ny RDP Africa tamin'ny herinandro fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny Hopitaly lehiben'i Maputo…...

Mozambika: famoronana hiatrehana ny olana ara-tsakafo

  12 Jolay 2008

O Silêncio de Kianda [pt] no mitondra ho antsika sombim-baovao mahafinaritra amin'ny fikaratahan'ny olona hiatrehana ny olana ara-tsakafo: mofo vita amin'ny mangahazo voatoto fa tsy amin'ny varimbazaha. “Mahavokatra mangahazo 3 000 000T isan-taona manko i Nampula [faritany iray any Mozambika] ary ampy hamelomana ny fandraharahana momba ny fanaovamofo sy hojifain'ny...

Ny feo manaiky fankahalana vahiny

  25 Mey 2008

“Ireo mpanao politika malaza nigoka ny fiarovan'ny vahoaka mozambikana ary efa lasa mpitarika na mpandraharaha amin'izao fotoana izao, nahoana moa izy ireo no tsy manandratra ny feony hiaro ny Mozambikana tsy ho tratran'ny fankahalana vahiny ary hanakana ireo mpanatanteraka (ny herisetra)?”, hoy ny fanontanian'i Bosse Hammarström [pt].

Mozambika: Fifanarahana momba ny famerana indray ny karama farany ambany

  18 Avrily 2008

Basilio Muhate [pt] no miresaka vetivety ny fifanarahana eo amin'ny sendikan'ny mpiasa Mozambikana sy ny vondron'ny mpandraharaha momba ny famerana ny karama ambany indrindra ao amin'ny vondron'asa valo na sivy voafaritry ny governemanta. “Raha tena nisy tokoa ny fifanarahana dia zavatra tsara izay eo amin'ny lafiny diplomatika. Ny tsy fantatra...

Mozambique: Nahasambotra kamiao nitondra ankizy maromaro ny polisy

  31 Janoary 2008

Ity resaka ity dia tohin'ny lahatsoratra efa navoakan'ny namana Tomavana eo ambanimbany eo. Vaovao farany navoakan'ny tontolom-bolongana, Carlos Serra [pt] no nitatitra fa nahatsikaritra kamiao (fiarabe re a!) nitondra ankizy miisa 40 anelanelan'ny 7 ka hatramin'ny 11 taona niainga avy any Nampula, Mozambique ny polisy ao Inchope. Azo inoana fa...