Tantara tamin'ny Tselatra sy Media sy Fanoratan-gazety
Manakombom-bava ny manampahefana ao Azerbaijan manoloatra ny famonoana vehivavy trans
Amin'ny ankapobeny, ho an'ny olona LGBTQI+ maro izay miatrika fanavakavahana sy herisetra, dia kely ny fanavotana azon'izy ireo [mg] avy amin'ny polisy na avy amin'ny fantsona ara-pitsarana ofisialy
Gazetiboky frantsay manasa antsika hamantatra ireo endrika 50 tsy azo lalovam-potsiny amin'ireo tangoronosy Japoney
Na eo aza ireo vina ara-toekarena tsy dia mampaharisika loatra, dia maneho fahalinana be tsy mbola nisy tahaka izany amin'i Japàna ireo frantsay mpamaky.
The Baku Connection: Miray hina ireo mpanao gazety manerantany hanohana ny Abzas Media ao Azerbaijan
Mpanao gazety 40 eo ho eo avy amin'ny fampahalalam-baovao 15 no nanatevin-daharana ny tetikasa hatramin'ny nivoahany raha miandry fitsarana any Baku ny ekipan'ny Abzas Media izay nanomboka ny fanadihadiana.
Anaty rindrina efatra: Feom-pandriampahalemana ao Azerbaijan voafafa
Loa-bava kely monja dia efa izakàna sandany mihoa-pampana, eo amin'ny fahafoizan-tena manokana sy eo amin'ny tsindry tsy mitsahatra atrehan-dry zareo.
Voarohirohy tamina resaka kolikoly ny Lehiben'ny Sampan-draharahan'ny Fiarovana ny Filoham-pirenen'i Azerbaijana
Misy tantara mampiahiahy ilay Hotely InterContinental ao Baku. Rehefa natao lavanty ny tany manodidina an'ilay hotely dia niniana nafenina tsotra izao ny antsipirihany momba ny adiresy sy ny haben'ilay tany.
Nankatoavin'ny parlemantan'i Kyrgyzstan ny fanovana ny sainam-pirenena
Fanazavana mampivandravandra no atolotry ny filoha amin'ny fanovana sainam-pirenena.
Anatin'ny fotoana tena manandanja ho an'ny krizy manerantany, nohalefahan'ny X (Twitter tany aloha) ireo pôlitikany momba ny kabary mahery setra
Nohalefahan'ny X be mihitsy ny pôlitikany momba ny kabary mahery setra, tamin'ny fampihenàna ihany koa ny tokotanim-pampiharany ireo fepetrany momba ny kabary mahery setra sy ny vokadratsy aterak'izany rehefa tratra ny kabary tahàka izany
Ahoana no iadian'ny Rosiana ny potinisma: Tahirin-kevitra iray
Tsy marina ny filazana fa tsy nanohitra ny fisandratan'ny Potinisma i Rosia — nanohitra izy. imbetsaka ary amin'ny fomba maro, na dia tsy nahomby aza.
Nanokatra ny akademiany voalohany ao Azia Afovoany ny FC Barcelona ary miroso hanangana maro kokoa
Faha-29-n'ny fananganana nataon'ny FC Barcelona manerantany ary voalohany tany Azia Afovoany io akademia ao Jalalabad io.
Raha ankatoavina, ny ratsy no betsaka ho entin'ilay tolodalàna momba ny bilaogera ao Tajikistan
Tato anatin'ny taona vitsivitsy izay, nahitàna fihemorana be ny momba ny fahalalahana ara-pôlitika sy ny fahalalahan'ny fanehoankevitra amin'ny ankapobeny ao amin'ny firenena