Tantara tamin'ny Tselatra sy Lalàna
Manakombom-bava ny manampahefana ao Azerbaijan manoloatra ny famonoana vehivavy trans
Amin'ny ankapobeny, ho an'ny olona LGBTQI+ maro izay miatrika fanavakavahana sy herisetra, dia kely ny fanavotana azon'izy ireo [mg] avy amin'ny polisy na avy amin'ny fantsona ara-pitsarana ofisialy
Nankatoavin'ny parlemantan'i Kyrgyzstan ny fanovana ny sainam-pirenena
Fanazavana mampivandravandra no atolotry ny filoha amin'ny fanovana sainam-pirenena.
Tiorkia : Sakanan'ireo mpandraharahan'ny fifandraisandavitra ny fidirana amin'ilay tranonkala Web malaza Ekşi Sözlük
Noho ny antony mitovy, tamin'ny 7 Febroary, nosakanan'ny manampahefana ny Twitter, sehatra media sosialy iray hafa malaza .
Raha ankatoavina, ny ratsy no betsaka ho entin'ilay tolodalàna momba ny bilaogera ao Tajikistan
Tato anatin'ny taona vitsivitsy izay, nahitàna fihemorana be ny momba ny fahalalahana ara-pôlitika sy ny fahalalahan'ny fanehoankevitra amin'ny ankapobeny ao amin'ny firenena
Ary avy eo tsy nisy — ny fomba nanjavonan'ireo antoko politika ao Azerbaijan
Niady ela tao Azerbaijan ny antoko politika mpanohitra, niatrika fisamborana, fanagadrana, olana ara-bola, na fanenjehana ny mpikambana ao aminy, raha tsy hilaza afa-tsy ny sasany.
‘Teto i Telman': tantaram-piainan'ilay lehilahy Azerbaijani nitady fiainana tsaratsara kokoa
Tamin'ny faha-50 taonany, nandany ny androny nandehandeha teny an-dalamben'i Bakou nitety ny daba-pako rehetra hitany i Telman, nanangona zavatra azo averina ahodina, sakafo, ary nanonofy fiainana tsaratsara kokoa.
Azerbaijan: Notanan'ny polisy ilay mpikatroka mpandala ny fandriampahalemana mialoha ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fandriampahalemana
Araka ny tatitry ny polisy, nosamborina teny an-kianja i Mammadli noho ny fanoherana ny polisy, izay anisan’ny fiampangana mahazatra amin’ny fepetra famaizana any Azerbaijan ampiasaina hikendrena ireo mpikatroka ara-politika sy sivily.
Niditra tamin'ny fanampenam-bava ny media tsy miankina ny antoko eo amin'ny fitondràna ao Zeôrzia
Nolazain'ny antoko "Georgian Dream" fa ilay doka dia manoso-dratsy ny antoko, manohintohina ny hoaviny manoloana ny fifidianana
Lehiben'ny fampanoavana ao Armenia te-hanara-maso ny votoaty anaty aterineto
Tao anaty taratasy iray nalefa ho an'ny governemanta armeniàna tamin'ny 4 Jolay, nolazain'i Artur Davtyan fa tokony ho ambany fanarahamason'ny fanjakana ary ho arindran'ny lalàna ny aterineto
Tranokalam-baovao roa nobahanan'i Torkia
Nosakanan'ny Filankevitra Ambonin'ny Radio sy Televiziona (RTÜK) ao Tiorkia tamin'ny 30 Jona ny fidirana amin'ny tranonkalan'ny Voice of America (VoA) amin'ny teny Tiorka sy ny DW amin'ny teny Tiorka rehefa tsy nety hanao fangatahana fahazoan-dalana hampiely (vaovao) ry zareo.