Tantara tamin'ny Tselatra sy Fahasalamàna
Manomboka mamaha ny olan'ny fahalotoan'ny rivotra ao aminy amin'izay i Ozbekistan
Tamin'ny Desambra 2023, tao Tashkent no nahitana ny tondron’ny fahalotoan'ny rivotra faharoa avo indrindra, aorian'ny Delhi any India.
Nahita fianarana ny vehivavy any Moldavia, saingy kely kokoa ny karamany ary manambady aloha loatra izy ireo
Angon-drakotra momba ny vehivavy monina ao Moldavia amin'izao fotoana avy amin'ny birao nasionaly misahana ny antontanisa ao Moldavia
Nivoaka ny sisintanin'i Torkia ny fanahian'i Filoha Erdoğan tafahoatra momba ny fiterahana
Milaza ireo mpahay toekarena mahaleo tena fa saika tsy mahavelona zaza dimy ny toekarena misy sy ny karama ao Azerbaijan.
Lavenona eny an-tampon-kandrina (Fivalozana) : doro ala ao Kazakhstan mampiharihary ny kolikoly mirongatra sy ny fampanantenana poakaty nataon'ny governemanta
Nandritra ny telo taona farany monja, doro ala goavana efatra no nitranga tao Avaratra sy Atsinanan'i Kazakhstan, izay niteraka fahapotehana ala maherin'ny 100 000 hektara.
‘Teto i Telman': tantaram-piainan'ilay lehilahy Azerbaijani nitady fiainana tsaratsara kokoa
Tamin'ny faha-50 taonany, nandany ny androny nandehandeha teny an-dalamben'i Bakou nitety ny daba-pako rehetra hitany i Telman, nanangona zavatra azo averina ahodina, sakafo, ary nanonofy fiainana tsaratsara kokoa.
Ankizivavy “Trans” avy any Rosia namono tena tao amin'ny toby fialokalofana
Mampiharihary ny olana amin'ny fahazoana fitsaboana ara-tsaina sy ara-pahasalamana any anatin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana ity tranga mahatsiravina ity. Atahorana fatratra ny amin'ireo solontenan'ny vondrom-piarahamoninaLGBTQ+ raha tonga amin'ny famonoantena ny resaka.
Torkia: Manamarika ny Andron'ny Mpitsabo amin'ny fitokonana ny mpiasan'ny fahasalamana
Ho fanamarihana ity andro ity, nilaza ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny firenena fa hanao fitokonana mandritra ny roa andro manomboka ny 14 marsa izy ireo na dia eo aza ny fampitandremana mialoha avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana manoloana ny fihetsiketsehana.
Nanao fihetsiketsehana manoloana ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Harena Voajanahary ao Azerbaijan ireo mpiaro ny tontolo iainana
Nanao fihetsiketsehana nanoloana ny Minisiteran'ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary ao Baku ny mpiaro ny tontolo iainana, nitanisa ny fandringanana ala mitohy sy ny fifanarahana fampanofana maharitra ny tany misy ala amin'ireo mpihazona tsy miankina izy ireo.
Efa Zavamisy Iainan'ny Ankizy ao Ambovombe Ny Faharavan'ny Sivilizasiona
Nilaza ny boky siantifika iray nivoaka tao amin'ny Journal of Ecological Economics fa "hitarika any amin'ny fianjeran'ny fiarahamonina ny fitrandrahana tafahoatra ny Asa na ny Natiora " raha toa ka tsy misy na inona na inona atao hisorohana izany.
Israely: Fisoloana Vava Ny Fampinonoana Imasom-bahoaka
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2009) Lanjalanjain'ny A Mother in Israel ny momba ny fampinonoana eny imasom-bahoaka. “Kivalavala ny hevitra hoe tokony horaràna ny fampinonoana eny imasom-bahoaka fa mahatonga ny sasany tsy hahazo aina, toy ny hoe fitazonana ny vehivavy bevohoka tsy hivoaka ny trano satria mety hahalasa saina ny...