Tantara tamin'ny sy

Kolombia : Manomboka Fitokonana Nasionaly Ny Mpampianatra

  15 Septambra 2013

Nanomboka [es] fitokonana nasionaly mba hitakiana drafitra ara-pahasalamana mendrika kokoa , ny famaranana ny "politikan'ny fisintahan'ny fanjakana " amin'ny fampianarana ary ireo olana hafa ny mpampianatra avy amin'ny Federasionan'ny Mpanabe Kolombiana FECODE.

Kolombia: Tongasoa Eto Amin'ny Tanànan'i Medellín

  15 Aogositra 2013

Iray amin'ireo toerana feno zava-mahaliana tamin'izay hitako ny tanànan'i Medellin, tanàna nahaterahako. Tsy izy no toerana tsara indrindra na toerana azo antoka indrindra eto an-tany, nefa tena mahaliana, feno hery ary tena mahafinaritra. Manoratra momba ny tanànan'i Medellín na “el centro” ao amin'ny Colombia Reports i Adriaan Alsema. Alahany ao ny antony hitiavana...

Kolombia: Mpilalao golf lasa reharehan'ankizy

  06 Oktobra 2008

Ao amin'ny Good Times in Medellin (fotoana mahafinaritra ao Medellin), no anoratan'i Medellin Travel fa manana olona vaovao azo atao fitaratra ny ankizy Kolombiana: 26 taona ilay mpilalao star Camilo Villegas, izay nahazo ny matoam-baovaon'ny haino aman-jery raha nandrombaka ny BMW Championship PGA Golf Tour tamin'ny volana lasa, izay vao...

Kolombia: MP3 tsy ara-dalàna ao amin'ny vohikalan'ny polisy

  07 Septambra 2008

Camilo Uribe no manoratra momba ny dosie MP3 nosintonina tamin'ny fomba tsy ara-dalàna ao amin'ny vohikalan'ny polisy Kolombiana [es], ary taorian'izay dia nampiasa tenimiafina ry zareo hanaronana izany, fa tsy nesoriny ny dosie. Nitranga izany rehefa namotika dvd piraty 70 000 tao an-tanànan'i Medellin ry zareo.