Tantara tamin'ny Tselatra sy Belarosia
Mahazo fiampangana heloka bevava ny Belarosiana mody
Lazain'ny mpiaro ny zon'olombelona fa na dia eo aza ny "fifanarahana", dia nanokatra raharahan-keloka bevava tamin'ireo olona nino manampahefana ka niverina tany Belarosia ny manampahefana.
Nahazo sazy henjana ireo mpikambana avy amin'ilay tarika Bielôrosiàna nanao ireo hiran'ny hetsipanoherana tamin'ny 2020
"Tsy biby fiompy izahay, biby fiompy sy kanosa, vahoaka velona izahay, Bielôrosiàna izahay!" hoy ny hiran'ny "Tor Band". Ankehitriny, any am-ponja ireo mpikambana ao aminy, mizaka sazy henjana hatramin'ny sivy volana.
Nihira ny ‘Zhyve Belarus’ (Ho ela velona i Belarosia!) ny tarika nambaran'i Lukashenka fa mahery fihetsika
Zara raha resahana ao amin'ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena, mampiasa famoretana tahaka an'i Stalin amin'ny olom-pireneny ny fitondran'i Lukashenka. Notazonina sy enjehina ireo mpanohitra ary, amin'ny tranga maro ankehitriny, dia toy izany koa ny fianakaviany.
Fiainana, nitsahatra: Aina nafoy tamin'ny fanoherana tao Belarosia
Namoaka lohahevitra iray tao amin'ny Twitter i Hanna Liubakova, Belarosiana mpikambana ao amin'ny Atlantic Council, mpanao gazety sady mpampiofana media, momba ny tranga farany sady nanafintohina indrindra mikasika ireo gadra politika ao Belarosia.
Belarosia: nanapaka hevitra ireo manampahefana fa hofoanana ny toeram-pialofan'ireo niharan'ny herisetra an-tokantrano
Ilay fanafoanana dia ampahany amin'ny famoretana amin'izao fotoana izao atao an'ireo ONG, media tsy miankina, ary mpikatroka izay nihamafy tamin'ity lohataona ity, taorian'ny herintaona nisian'ny hetsipanoherana an'ireo fifidianana feno hosoka.
Nopetahan'ny fitsarana Belarus ho “extremiste” ny seha-mpampitam-baovao mahaleotena Tut.by, Zerkalo.io
Ny didy dia mihatra amin'ny singam-botoaty tsirairay ao amin'ny tranonkala, sy ny votoaty rehetra naranty tao amin'ny fantsona media sosialiny.
Tantara Sovietika : Fartsovhchiki
Window on Eurasia indray no mamintina ny boky vaovao momba ny Sovietika fartsovshchiki: “ Niroborobo tokoa ny ‘fartsovka’ nandritra ny taompolo 1970 sy 1980 ka heverin’i Vasil’yev fa misy tarika enina samihafa miditra amin’ny sehatry ny fitadiavan’entana – fiasana amin’ny hotely fandraisambahiny, tantsambo any amin’ny sambo Sovietika, fiarabe mandeha lavitra,...