· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Desambra, 2018

Serbia: Misafidy, na i Tadic na i Nikolic

Bilaogera Serba maro no manohana an'i Tadic sy ny fifandraisana akaiky kokoa eo amin'i Serbia sy ny Firaisambe Eoropeana, ary manohitra ny politika nasionalistan'i Nikolic. Ny sasany kosa anefa diso fanantenana amin'ny politikan'i Tadic nandritra ny fitondrany teo aloha ary mino fa nampahery ireo radikaly izany.

Iran: Mpianatra nanao fihetsiketsehana manohitra an'i Ahmadinejad tao amin'ny Oniversiten'i Tehran

Mpianatra Iraniana an-jatony no nanao hetsi-panoherana ny fanatrehan'ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad tao amin'ny Oniversiten'i Téhéran ny Alatsinainy 8 Oktobra 2007. Araka ny filazan'i Al Jazeera, nihiaka ireo mpianatra hoe "Miala ry mpanao didy jadona!" rehefa nanao lahateny izy hanamarihana ny fanombohan'ny taom-pianarana. Bilaogera maro no namoaka sary sy fanehoan-kevitra.

Ny Tsiambaratelon'i Ejipta an-dahatsary

Iray amin'ireo lahatsary manala ny saron'ireo tsiambaratelo sy marina mahatsiravina any Ejipta ny "Hideous", mampiseho ny fifanoherana eo amin'ny fiainan'ireo mpanana tsy mivaky loha sy ireo mahantrana eny an-dàlambe. Ny "To H.E Mrs Suzanne Mubarak" kosa mitatitra ny fanararaotana ankizy, ny herisetra ataon'ny mpitandro filaminana ary ny fahantrana lalina.