Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Septambra, 2018
Asehon'ny Mpianatra Amin'ny Alàlan'ny Taokanto ny Tsy Rariny sy ny Fanimbazimbàna Zon'Olombelona ao Filipina
"Tonga saina ny tanora amin'izay mitranga ao anaty fiarahamonina. Afaka hitanareo eo amin'ireo sary ny famonoana olona tsy mandalo fitsaràna, ny fiovàna sata, ny ady, ary ny hantsana misy eo anelanelan'ny mahantra sy ny mpanankarena ao anaty fiarahamoninay."
Palestina: “Matahotra ny “Taaakh” aho ary mangovitra rehefa mahita azy”
Ho fampiroboroboana ny fanadihadiana iray an'ny Al Jazeera mikasika ny fibodoan'ny Israeliana an'i Palestina, milazalaza ny fiainany ny tovovavy Palestiniana iray. Amin'ny teny kely avy aminy, manintona ny fon'ireo olona rehetra mijery ity horonantsary ity izy ...
Egypta: Mampiasa ny Twitter ho an'ny fahasalamana tsara kokoa
Azo ampiasaina ve ny Twitter hamonjena ain'olona na hanatsarana ny fahasalamany? I Tarek Amr dia manao topi-maso ny kaonty Twitter izay tantanan'ny mpivady iray ao Egypta, mikendry ny hampitombo ny fanentanana ara-pahasalamana eo amin'ny fiarahamonina, izay matetika mahakasika ny lohahevitry ny zava-pady, toy ny fanabeazana ara-pananahana.
Azia Atsimo: DST, Mpiasan'ny MR-9, Rallye SAARC, fomba amam-panao Tshechu, Fanao ara-tsaranga, Fitondrana fiara ary ny hosoka
Lohahevitra maro samihafa no iadin-kevitra ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Azia Atsimo. Ny mety ho korontana amin'ny fananganana ny Daylight Saving Time, ny valintenin'i Bangladesh tamin'ny 007, ny hazakazaka fiara hanatsarana ny fifandraisana mivantana amin'ny olona, ny saranga, ny fivavahana ary ny fombafomba sy ny maro hafa.
Filipina : Famonoana ny Zanakavavin'ny Mpitarika Kaominista
Misy andiany iray mpamono, mamono izay heverina ho mpanao heloka bevava, ary misy andiany iray hafa mpaka an-keriny sy mamono, tsy ireo heveriny ho mpihoko fotsiny fa ny havany akaiky ihany koa. Ohatra iray vaovao amin'ny kolontsain'ny fahafatesana sy ny tangolingoliky ny herisetra eto amin'ny firenentsika izany