Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Avrily, 2018
Kazakhstan: Ny Fandinihantena Ataon'ny Tontolon'ny Blaogy
''Vao haingana, toa nahaliana tampoka ny tontolon'ny blaogy Kazakhstana ny famaritana ny atao hoe blaogy sy ireo fiantraikany Namokatra andiana lahatsoratra maro saika tamin'ny fotoana mitovy mikasika ity lohahevitra ity ireo blaogera.''
Shina: Randram-panentanana Ho An'ny Fianakavian'ireo Nandevozina
Fanentanana amin'ny aterineto no natao ho fanampiana ireo niharam-boina tavela tamin'ny raharaha andevo shinoa 2007 ---ireo fianakavian'ireo mpiasa tamin'ny lafaoro. Mizara ny alahelony ny zanany izy ireo, lasa holatra mandritra ny androm-piainana ny fahatsiarovana ireo zavatra nampahory. Mbola misy tsy hita ireo ankizy sasany nefa ny governemanta tsy miraharaha intsony io resaka io, ary navelany hiady irery ireo fianakaviana. Manentana amin'ny fanomezana tolo-tànana mba hanohanana azy ireo amin'ny fanaovana ny taombaovao Shinoa amin-kafanàna ny aterineto.
Singapaoro: TwestivalSG 2010
Hundreds of people participated in this year's Twestival Singapore to raise funds for the education of millions of out-of-school children around the world. Olona an-jatony no nandray anjara tamin'ny Twestival Singapaoro 2010 mba hanangonana vola ho an'ny fanabeazana ny ankizy an-tapitrisany izay tsy mianatra an-tsekoly manerana izao tontolo izao.
Vietnam: Ny Fomba Fijerin'ny Mponin'ny Aterineto Ny Lelafo Olaimpika
Nanam-potoana tsara mihitsy ny vahoaka Vietnamiana hanehoany ny fihetsehampony tsy tia Shinoa tamin'ny fandalovan'ny lelafo Olaimpikan'i Beijing izay natao tao amin'ny tanànan'i Ho Chi Minh. Nanambatambatra ny sasantsasany amin'ireo fomba fijery maro i Caroline Finlay.
Ireo Ankizy Anaty Krizy Sy Ny Andraikitr'Ireo Mpanao gazety – Ambarao Ny Media Izay Eritreretinao
Aiza no toerana mampidi-doza indrindra amin'ny maha-ankizy? Raha liana ianao, tsiriho ireo vokatry ny adihevitra.
Davos: Topimaso sy Fandraisana Anjara Amin'ny Alàlan'ny Lahatsary
Hatao ny 23 Janoary ka hatramin’ny 27 Janoary ny fihaonambe fanaon'ny World Economic Forum (Zaikabe momba ny Toekarena Eran-tany) hivorian'ny mpitarika ara-pôlitika sy ara-barotra [...] afaka mandray anjara amin'ity zaikabe ity ny olon-tsotra amin'ny fandrosoana ny heviny mba hahatonga ny tontolo ho toerana tsara kokoa.
Nahoana No Nanasonia Hanakatona Tranonkala Malaza Iray Ireo Koreana Maherin'ny 200.000 ?
Nisy ny fanangonan-tsonia antserasera natomboka tamin'ny 25 Janoary 2018, nitaky ny governemanta Koreana mba handràra tranonkala iray antsoina hoe Ilbe Storehouse, noho izy voalaza fa feno kabarim-pankahalana vehivavy, liberaly, sy ireo vitsy an'isa ara-poko sy ara-pananahana.
Niteraka Aingam-panahy Tao Amin'ny Media Sosialy Ilay Renim-pianakaviana Nanala Fanadinana Niaraka Tamin'ny Zanany Roa Volana
"Afaka roapolo taona, hahita ity sary ity ao Afghanistan tsara kokoa ity zaza ity."
Japana : Fanehoankevitra Manoloana Ilay Lazaina Fa Fanolanàna Tao Okinawa
Nahatonga fiampangàna maro avy amin'ny mponina tao an-toerana, avy amin'ny politisiana, ary amin'ny governemanta sy ireo blaogera [ja] ilay vaovao tamin'ny herinandro farany teo izay nanambara fa nanolana mpianatra iray vao 14 taona monja tao Okinawa ilay "sergent" Tyrone Hadnott avy amin'ny "Marine" Amerikàna, nandrehitra ny hatezerana koa ny mbola fisian'ny toby miaramila Amerikana ao amin'ny Prefektiora farany atsimo ao Japana...Tetsy ankilany, tanaty bilaogy sy ny resaka tanaty aterineto, maro ireo Japoney no nanakiana ilay niharam-boina noho ny tsy fitandremana sy ny "famelàna" ilay fanolanana hitranga.