Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Jolay, 2017
Libanona: Lohataona, Zavakanto sy Zava-manahirana
Ao Libanona, manomboka amin'ny fomba ofisialy amin'ny 21 Martsa ny lohataona. Izany no mahatonga ny 21 Martsa ankalazaina ho toy ny Andron'ny Reny ao.
Horonantsary Mozika Maka Tahaka Ny Fitondrana Miaramila Ao Thailandy
Nalaza avy hatrany ilay lahatsary mbola azo jerena ao amin'ny YouTube.
Aingam-panahy Avy Any Okraina No Nanosika Ireo Venezoeliana Mpanao Hetsipanoherana Hanaingo ny Ampingany Amin'ny Marika Azy Ireo Manokana
Mpanohitra ao Venezoelà, mamorona ampinga misy sary milaza zavatra betsaka mihoatra lavitra noho ny fiarovana fotsiny amin'ny entona mandatsa-dranomaso sy ny famelezan'ny Tafi-Panjakàna
Arzantina: Mi* Sehatra Ho An'ny Olom-pirenena Mpanao Gazety Miteny Espaniola Vao Misondrotra
Nitsimoka tao Arzantina ny tranonkala Mi * fanaovan-gazetin'ny olom-pirenena , fikasana ho lasa sehatra ho an'ny olom-pirenena mpanao gazety miteny espaniola vao misondrotra mba hamoahany ny asany sy handraisany fanehoan-kevitra, hiresahany foto-kevitra, hahazoany fiofanana sy hizarany votoaty.
Lahatsary: Tanora Manerana Izao Tontolo Izao Maneho Hevitra Ao Anatin'ny 60 Segondra
Manome fahafahana ho an'ny tanora 12 ka hatramin'ny 20 taona manerana izao tontolo izao haneho hevitra sy hianatra mikasika ny lahatsary mba hifaneraserana amin'ny alàlan'ny fandravana ny sakana toy ny sisintany, ny fiteny sy ny halavirana miaraka amin'ny lahatsary maharitra 60 segondra ny tetikasa OneMinutesJr .
Haiti: Mitady Fanafana Amin'ny Tsy Fahampian-tsakafon'ny Zaza
Tao amin'ny YouTube, manolotra antsika lahatsary mampiseho ny fomba fahandron'ny fianakaviana iray rehefa hanamboatra mofo fotaka ny toddgsapp, tsy natao ho hanin'izy ireo ihany fa amidy ihany koa izy ity.
Iran: Famahanana Bilaogy Avy Amin'ny Sekoly Kely Indrindra Erantany
Milaza ity tantara iray hafa ity fa afaka manova fiainana amin'ny fomba miabo ny famahanana bilaogy ary misarika ny saina ho any amin'ny faritra tsy hita maso eto amin'ity izao tontolo izao ity ihany koa.