· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Oktobra, 2011

Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Fanasàna Tànana: Manova Fomba Amin'ny Alàlan'ny Hira sy Dihy

  16 Oktobra 2011

Fantatrao ve ny fomba hanasàna tsara ny tànanao? Avy amin'ny alàlan'ireo hira sy dihy, mampianatra ireo hafa ny fomba tena mety hanasàna ny tànany ireo olona manerana ny tany mba hampiroboroboana ny fahasalamana. Ny 15 Oktobra no Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fanasana tanana ary miaraka teny famantarana Manavotra Aina ny Tanàna Madio , manisy tsindrim-peo amina hetsika tsotra izay manampy amin'ny fanenana ny fahafatesan'ny ankizy noho ireo aretina azo sorohana izany.

Shina: “Nisy Zavatra Tsaroanao ny Talohan'ny Nangalarana Anao?”

  13 Oktobra 2011

Raha hitsidika ny tanàna any Shina ianao indray andro any dia hahita ankizy mangataka na mitendry zavamaneno akaikin'ny gara na toerana be mpandalo mba hahazoana vola. Ny zavatra hitanao dia izay topaza-maso amin'ny olana goavana sy faran'izay manahirana eto Shina – ny fangalarana sy ny fivarotan-jaza. Tamin'ny fiandohan'ny taona 2009...

Bahrain: Tanora Mpanao Fihetsiketsehana Maty Nisy Nitifitra

Nitrangàna fihetsiketsehana tao Barhain tamin'ity herinandro ity noho ny fahatezeran'ireo olona misaona nandevina an'i Ahmed Al-Qattan 16 taona, maty voatifitra tamin'ny basim-borona araka ny voalazan'ny minisitry ny Atitany, izay tsy mba milaza ny marina momba ny antony nahafatesan'ireo mpanao fihetsiketsehana: @moi_bahrain: Nilaza ny tatitra avy amin'ny dokotera mpizaha ao amin'ny...

Brezila: Nahakatona Bilaogina Mpametaveta Zazakely Ny Hetsika Tamin'ny Twitter

  07 Oktobra 2011

Raha arahina ny hetsika lehibe hita any amin'ny valan-tserasera dia niezaka nanao izay hanakatonana bilaogina mpametaveta zazakely ny mpisera Breziliana ora vitsy taorian'ny fanairana voalohany nalefa tamin'ny Twitter ny marainan'ny Alatsinainy 3 Oktobra 2011. Ilay bilaogy voatonona eto moa, izay antsoina hoe Sim a Pedofilia (Eny amin'ny fametavetana Zazakely) [pt],...

Sina: Mpianatra Miofana Arak'asa Sa Mpikarama Vary Masaka?

  06 Oktobra 2011

Mba hiatrehana ilay olana dia nanomboka nandrisika ny fanorenana ivontoerana tantanin'olon-tsotra ny governemanta Sinoa mba hampitomboana ny isan'ireo sekoly manofana hiasa. Mizara ny tsy fahafaliany eto anivon'ny aterineto ireo mpianatra tafiditra amin'ilay lasitra "Orinasa etsy aloha, sekoly ao an-damosina".