Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Avrily, 2011
Chile: Toeram-Pandiovana (Refinery) Misokatra Indray Na Teo Aza Ny Fahampoizinana Tany An-Tsekoly
Nanapa-kevitra nanakatona sekoly iray ny Ministeran'ny Fahasalamana tany Chile tamin'ny 23 Martsa 2011, taorian'ny fanamarinana fisianà tranga 40 [es] olontsotra sy mpianatra voapoizin'ny solifara, varahina sy akora hafa miaty solifara. Fitsarana iray no nandidy ny hanakatonana ilay orinasa, navela iìhisokatra indray izy io 24 ora latsaka taty aoriana rehefa nanao fampakarana ny didy navoaka ny Codelco, ilay orinasa tompon'ilay fandiovana. Nahazo alalana hiverina an-tsekoly ny mpianatra tamin'ny 4 Aprily teo.
Syria: Tafaverina soa aman-tsara any an-tranony ny anankiroa, mbola tsy hita kosa i Khaled El Ghayesh
Anankiray amin'ireo lahatsoratra manokana momba ny fanoherana tany Syria 2011 ity . Tamin'ny herinandro lasa teo, ilay teratany amerikana ejipsiana Muhammad Radwan (fantatra amin'ny @battutta ao amin'ny Twitter) no nosamborina tany Syria satria...
Libia: Ny Vahoaka Mitatitra Vaovao Avy Any Ambava-Ady
Mitohy voasivana ny lahatsary momba an'i Libia rotiky ny ady izay ifanandrinan'ireo mpanohitra amin'ny herin'ny Kolonely Muammar Gaddafi mba hanonganana ny fitondrany izay efa naharitra 42 taona. Ity misy fantina lahatsary farany nalain'ireo mpampiasa aterineto any ambava-ady amin'ireo tanàna lehibe mbola ifandroritana any Libia.
Filipina: Mpanolotra Fahitalavitra Voahendrikendrika Ho Mampiasa Zaza Tsy Ampy Taona
Ireo mpampiasa aterineto any Filipina dia mitaky ny manam-pahefana hanenjika izay eritreretin-dry zareo ho fampiasana zaza tsy ampy taona amin'ny fijerena mivantana fahitalavitra, nahitàna zazalahy namporisihan'ny mpanolotra fandaharana hanao dihy mahamenatra.