· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Marsa, 2011

Maraoka: Ny kabarin'ny Mpanjaka ao amin'ny Twitter

Tamin'ny Alarobia, nanao ny lahateniny voalohany ho an'ny firenena ny Mpanjaka Mohammed VI hatramin'ny nisian'ny fihetsiketsehana mandàla ny demokrasia. Tsy niteny mivantana momba ny hetsika, fa nampanantena "fanovàna lalampanorenana mazava" sy fitsapakevi-bahoaka momba ny "fitsinjaram-paritra tsara," mikendry izay hanomezana fahaleovantena tanteraka ny faritra manoloana ny governemanta izy

Maraoka: Mankalaza ny andron'ny vehivavy

Ny vehivavy maraokana, tahaka ireo vehivavy rehetra maneran-tany dia mankalaza koa ny faha-100 taonan'ny andron'ny vehivavy. Teo anivon'ny fiarahamonim-pirenena dia efa hatramin'ny ela izy ireo no niady hanana fiainana mendrika sy tsaratsara kokoa. Ary satria mbola mitohy hatrany ny “tazon”ny fahafahana andrandraina avy amin'ny “Fanoheran'ny Arabo” manerana ny ilany andrefana...

Libya: Lasa malaza fatratra ny “mihomehy” Zenga Zenga

Niely niampita vetivety tamin'ny aterineto ny kabarin'ilay tsy mifaditrovana Gaddafi"Zenga Zenga" . Miverimberina lasa hira, nahavitana hira isan-karazany ny sombin-kabary nitenenana tamin'ny vahoaka izany nampanantenan'ny "Guide" ny "hanadio an'i Libya isaky ny santimetatra, isan-trano, isan'efitrano, isaky ny arabe (Zenga Zenga)" ary mihamitombo any amin'ny fifampizaran-dahatsary ka mahamiramirana kokoa ny mpanohitra an'i Gaddafi

Bahrain: ‘Nanapoaka Sarom-bilany’ Hanohitra Ny Sekoly (Lahatsary)

Sekoly Ambaratonga (ambony) faharoa maromaro no 'nanapoaka sarom-bilany' hihetsika hanohitra ny governemanta manerana an'i Bahrain tamin'ny Talata 1 Martsa. Ho fanohanana ireo mpanao fihetsiketsehana milasy ao amin'ny Fihodinana ao Pearl (Lulu) dia nivoaka ny sekoliny daholo teny anelanelan'ny andro fianarana, na lahy, na vavy, ka nanao filaharana teny ivelan'ny sekolin-dry zareo tao an-tanànan'i Isa , Hamad ary Jidhafs.