Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Aogositra, 2024
Fafan'i Azerbaijan mialoha COP29 ireo mpitsikera
Manana ny iray amin'ireo firaketana iraisampirenena ambany indrindra momba ny zon'ny olom-pirenena sy ny fahalalahan'ny olom-pirenena i Azerbaijan ary nanizingizina ny filoha Aliyev fa voamarina ny fanenjehana ny fiarahamonim-pirenena.
Ho fandravana ny demôkrasia, nofoanan'ny fitsarana thailandey ny antoko mpanohitra voalohany
"Ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana dia tokony ho fikambanana miaro ny Lalàmpanorenana sy ny zo araka ny Lalàmpanorenana. Fa izao izy fikambanana manitatra ny fahefam-panjakana sy mametra ny zon’ny olona sy ny fahalalahan’izy ireo."
Venezoelàna nifindra any Colombia: ‘Manofinofy hody aho hanangana indray ny firenenay’
Ao anatin'ny kriszy venezoelàna, mitaratra sy tolona sy ny fanantenan'ny tanora an'arivony noterena hifindramonina ny tantaran'i José Montilla, miasa ho fampahatsiahivana matanjaka amin'ny fikirizan'ny vahoaka Venezoelàna.
Hirika tsy fahita firy ho ana Afrikàna iray mpanao gazety izany hoe hanao fandrakofana ny Lalao Ôlaimpika izany, tafa niarahana tamin'i Daniel Dodjagni
Ho an'ny fandraisany anjara voalohany amin'ireo Lalao Ôlaimpika, ilay Tôgôley mpanao gazety, Daniel Dodjagni, no manazava amin'ny Global Voices ny tombony entin'ny fanotronany JO amin'ny asany
Fijerin'ireo Afrikàna mpanao gazety ny Lalao Ôlaimpika Parisy 2024
Any amin'ireo Lalao Ôlaimpika ao Parisy, Afrikàna atleta, nefa koa mpanao gazety izay afaka mitondra fomba fijery hafa momba ireo fifaninanana, no misolo tena ilay tanibe
Zavakantom-panoherana ho fitaovam-piadian'ny Hetsiky ny Mpianatra ao Bangladesh izao
Tranga miavaka amin'ny hetsiky ny mpianatra ao Bangladesh amin'izao fotoana izao ny fampiasana sariitatra sy tantara an-tsary zaraina amin'ny media sosialy, sy graffiti mbamin'ny afisy eny an-dalana.
Enjehina ao amin'ny media sosialy i Chidimma Adetshina mpilatro, ary ity ny antony
Misy ny tahotra eo amin'ny olom-pirenena Afrikana Tatsimo fa miditra hangalatra ny asany sy hanao heloka bevava, izay tsy tohanan'ny zava-misy na angon-drakitra mihitsy, ny vahiny, Afrikana mpifindra monina ny ankamaroany.