Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Avrily, 2018

Afghanistana: Andron'ny Vehivavy Ao Anaty Firenena Misafotofoto

Araka ny voalazan'ny Komisiona ho an'ny zon'olombelona, misy vehivavy anjatony maty voatifitra, namidy tamina lehilahy hafa, notapahana ny ampahan'ny vatan'izy ireo, toy ny sofina, orona ary rantsan-tànana

Ozbekistana: Hatsiaka Hafahafa, Fiafaràn'ny “Nirvana” ary ny Tena Politika Mikasika ny Miralenta

Na teo aza io hatsiaka mahery vaika io, niaina ny fianany manokana ihany ny renivohitra. Voafidy ho mpitondra tenin'ny parlemanta i Dilorom Tashmuhamedova [kandidà taloha tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny volana Desambra 2007].

Ejypta: Bilaogera very asa noho ny famoahany ny mahasandoka ny tantaran'ilay fitaovana maha-virjiny hosoka

Nanomboka nanontany tena ny Ejiptiana raha hanomboka hanafatra Hymen Shinoa i Ejypta ary voaraoka kosa i Amira Al Tahawi, izay niara-niasa tamin'ny Radio Netherlands tamin'izany fotoana izany noho ny famoahana fa lainga ny tantara hymen Shinoa.

Mahatsapa ny Hatezeran'ny #MeToo (#IzahoKoa) ny Lalàna, ny Fialamboly ary ny Politika

Nanatri-maso ny herin'ny vahoaka ry zareo Koreanina, niaraka tamin'ny fandroahana ny filoha tamin'ny Martsa lasa teo. Hitan-dry zareo amin'ny endrika #IzahoKoa sy #MiarakaAminao izy amin'ity indray mitoraka ity.

Manoratra Bilaogy momba ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana amin'ny SIDA

Nanamarika ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana amin'ny SIDA tamin'ny fitenenana ampahibemaso sy mafy mikasika ny VIH SIDA ireo bilaogera manerana izao tontolo izao ny voalohan’ny volana Desambra. Fanomezam-boninahitra ny ady amin'ilay valanaretina, izay mihamatanjaka noho ny fahanginana sy ny fampahalalàna diso, ny lahatsoratra rehetra navoaka tamin’izany.

Ejypta: Tsy misy sokajin-taona ny zava-pisotron'ny lehilahy!

Ity lahatsoratra ity dia nadikan'i David Faure, mpianatra kilasy fanomanana ECT2 ao amin'ny Lisea Ozenne de Toulouse, eo ambany fanarahamason'ny profesorany Audrey Lambert, izay ao anatin'ny tetikasa momba ny fanabeazana "Fidirana amin'ny fandikan-teny ny vaovao malaza".

Nahavita Dingana Amin'ny Ady Amin'ny Fanavakavaham-Bolonkoditra i Costa Rica Raha Nifidy Vehivavy Mainty Hoditra Ho Filoha Lefitry ny Firenena

“Io no fomba iray hamerenan-kasina ny vondrom-piarahamonina mainty tsy ao Costa Rica ihany fa manerana an'i Amerika Latina mihitsy."

#GirlsOnBikes: Mitaingina Bisikileta Ny Vehivavy Hitakiana Ny Toerana Ho An'ny Daholobe Any Pakistana

"Mifanentana izahay mba handray anjara amin'ity hetsika iombonana ity ary mba hanamafisana ny zonay hivezivezy amin'ny sehatra ho an'ny daholobe araka izay tianay."

Sarimbavy Voalohany Lasa Mpilalao ao Amin'ny Ligy Nasionalin'ny Baolina Lavalava ao Aostralia i Hannah Mouncey.

"Tsy afaka misaotra ny AFL aho tamin'ny famelàna ahy hanao zavatra iray izay misokatra ho an'ny Aostralianina sasany ary izay efa notohanan'ny siansa sy ny fikarohana foana.."

Davos: Topimaso sy Fandraisana Anjara Amin'ny Alàlan'ny Lahatsary

Hatao ny 23 Janoary ka hatramin’ny 27 Janoary ny fihaonambe fanaon'ny World Economic Forum (Zaikabe momba ny Toekarena Eran-tany) hivorian'ny mpitarika ara-pôlitika sy ara-barotra [...] afaka mandray anjara amin'ity zaikabe ity ny olon-tsotra amin'ny fandrosoana ny heviny mba hahatonga ny tontolo ho toerana tsara kokoa.