· Jona, 2017

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Jona, 2017

Iran: Polisy Nandaka Vehivavy

Miady amin'ny vehivavy amin'ny lafiny roa fara fahakeliny ny manampahefana Iraniana. Andaniny, nalefa tany am-ponja ary nenjehina ny mpikatroka vehivavy nanao hetsi-panoherana ho amin'ny fitovian-jo. Ankilany, manohy ny famoretana manerana ny firenena ny polisy Iraniana izay mikendry ny hankatoavan'ny vehivavy ny fehezan-dalànan'ny fomba fitafy Islamika ao Iran.

Iran: Fisamborana sy Fandravàna

Nanohy ny politikany momba ny famoretana mihatra amin'ireo mpikatroka ny zon'ny vehivavy sy ny Silamo Sufi ny governemanta Iraniana tato anatin'ny herinandro vitsivitsy. Nosamborina andro vitsy lasa izay i Maryam Hosseinkhah, mpikatroka ny zon'ny vehivavy sady mpanao gazety, ary noravan'ny mpitandro ny filaminana ny Foiben'ny Silamo Sufi.

Podcast: Fampahafantarana Ny Tetikasa Nari Jibon

  15 Jona 2017

Natsangan'ilay Mpampianatra Sosiolojia Kathryn Ward tamin'ny taona 2005 ny Nari Jibon ao Dhaka. Manome fampianarana famakian-teny sy fianarak'asa ho an'ny tanora vehivavy Bangladeshita ny tetikasa, amin'izay afaka mampahery ny tenan'izy ireo sy mahita asa eo amin'ny sehatra hafa ankoatra ny mpiasa an-trano sy ny orinasan'ny akanjo izy ireo .