Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Oktobra, 2016
Tsy Mbola Vita Ny “Hetsika Mainty” Fa Mivoaka Ny Volavolan-dalàna Vaovao Iadiana Amin'ny Fanalan-jaza Ao Polonina
"Manantena Fihetsiketsehana Mainty iray hafa aho ho fanoherana ny fanambarana feno habibiana avy amin'i Kaczyński izay te hanangana afobe. Fihetsiketsehana iray hanoherana azy."
Tarika Tovolahy, Rindran-Dihy ary ny “Lehilahy, Hono, Ka Hoe” ao Azia Afovoany
"Tsy tokony ho avy eto izy ireo. Manohana ny fomba amam-panaon'ny firenena izahay, izay mijanona ho lehilahy ny lehilahy ary vehivavy ny vehivavy."
Zavatra 9 Itiavana an'i Afghanistan
Amin'ny mofo tsara indrindra eto ambonin'ny tany, ny voatavo sy ny ampongabendanitra, sy ireo mponina isan-karazany tia mandray vahiny, dia inona izany no tsy metimety ao amin-dry zareo ireo?
Jamba, Manambady, ary Misara-panambadiana: Tantaran-Jazavavy Telo Ao India Amin'ny Andro Maoderina
Manamarika ny Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Zazavavy ny 11 Oktobra, izay manazava ny olana misy fiantraikany eo amin'ny zatovovavy manerana an'izao tontolo izao. Misy tantara vitsivitsy ireto notaterin'ny Video Volunteers, mampiseho ny fomba ataon'ireo ankizivavy ao India rehefa miatrika sy miady amin'ny olana isan-karazany mifandraika amin'ny lahy sy ny vavy.
Sehatra Ho An'ny Fahasamihafana Ny Kliobanà Kitra Mitafy Hijab any Amin'ny Farany Atsimon'i Thailand
"Amin'ny fanombohana ny kliobanà baolina kitra sy fisarihana ireo vehivavy mba hanjohy io, milaza amin'ny fiarahamonin'i Patani izahay hoe afaka manao izay zavatra ataon'ny lehilahy ihany koa ireo vehivavy."
Manohy Ny Fitokonana ‘Alatsinainy Mainty’ Ireo Vehivavy ao Pôlônina Manohitra Ny Volavolan-dalàna Fandraràna Ny Fanalan-jaza
Manao fihetsiketsehina aho androany satria tsy afaka hanaiky ny tolo-kevitra vaovao momba ny lalànan'ny fanalan-jaza ao Polonina. Raha miroso amin'izany ry zareo dia hanimba ny vatana, ny saina ary ny fanahin'ny vehivavy.
“Alatsinainy Mainty” Fitokonana Faobe Nokarakarain'i Pôlônina Manohana Ny Fahazoa-Misafidy Manoloana ny Fandraràna Tanteraka Ny Fanalan-jaza
Tamin'ny 3 Oktobra, vehivavy Poloney maro no tsy namonjy ny asany ary nandao ny raharahany ireo vehivavy mpikarakara tokantrano .
Ho Fiarovana Ny Zoko eto Makedonia Hanala Zaza
Tsy hoe fandavana andraikitra ny manala zaza, fa safidy farany ho amin'ny mahasoa ny tena sy ny zaza ao an-kibo.