Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Febroary, 2016
Gwen Rakotovao: ‘Manamafy Ny Fifandraisana Ara-tsosialy’ Amin'ny Alalan'ny Dihy Sy Ny Kanto
Niresaka tamin'i Gwen Rakotovao ny Global Voices, ilay vehivavy talen'ny kanto, lehiben'ny fitantanana, lasibika, ary mpanoratra boky ho an'ankizy, izay nentin'ny asany mahavalalalina nitety ny tontolo.
Mitaky Sehatra Ho An'ny Vahoaka Hisotroana Kafe Ny Vehivavy Pakistaney
Mikarakara hetsika ny vehivavy Pakistaney mba hananganana sehatra azo antoka ho azy ireo manokana amin'ny sehatra izay matetika tsy andraisana sy tsy ahitana azy ireo.
Savaravina Ataon'ny Media Sosialy Karibeana Momba Ny Hatezerana Mafy Mitambolona Manodidina Ny Fihetsika Tampok'ilay Mpilalao Cricket Chris Gayle
"Toa mihoatra ny tokony ho izy aza ny fanamelohana manerantany ny fanadalàn'i Chris Gayle [kanefa] fampahatsiahivana tsara ilay resabe mikasika iny zava-nitranga iny, milaza fa misy ny tsipika tokony tsy azo ihoarana."
Mihabetsaka Ny Iraniana Mpisipa Miara-Mipetraka Ivelan'ny Mariazy
Fijery iray mahantonga ny Iraniana tanora mpisipa mbola misafidy ny hiara-mipetraka tsy mivady na dia mifanohitra amin'ny lalàna aza izany.
Lahatsarim-Panomezam-Bahana Ny Vehivavy Sy Ny Fifandeferana Ao Indonezia An-Tsary
"Noho ny fielezan'ny eksitiremisma sy ireo fampianarana maherisetra, dia ilaina haingana dia haingana ny fandefasana hafatra manandratra ny fanahim-pimaroana sy ny firaisana ao anatin'ny fahasamihafana Indoneziana afa-mifaninana amin'ireo [hafatra] maherisetra tsy mahazaka ny hafa."
Potika Ny Asan'ny Vehivavy Iray Olo-Malaza Amin'ny Fahitalavitra Japoney Noho Ny Fanaovany Sipa Tamin'ny Mpihira Iray Efa Manambady
Ny fiainam-pijangajangana iray manasongadina ny tsy fanananan'ny tontolon'ny fialamboly ao Japan antra sy indrafo.
Henjanin'i Kolombia Ny Sazy An-tranomaizina Ho An'ny Fanafihana Amin'ny Asidra
Ao Kolombia, henjanin'ny lalàna Natalia Ponce de León ny sazy famonjàna ho an'ireo nanao fanafihana tamin'ny asidra na vokatra simika.
Toa Tsy Ho Voasoroka Ny Loza Mitatao Entin'ny Viriosy Zika Ao Karaiba
Nambaran'ny Fikambanana Erantany momba ny Fahasalamana fa hamehana ho an'izao tontolo izao ny viriosy Zika. Ny faritra sasany ao Karaiba dia efa niomana tamin'izy io, raha ny sasany kosa malai-mihetsika.