· Avrily, 2013

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Avrily, 2013

Lebanona: Fanambadiana Sivily Voalohany “Nankatoavin'ny Fitsaràna”

Tany am-piandohan'ity taona ity, i Kholoud Succarieh sy Nidal Darwich no nanatanteraka ny fanambadiana sivily voalohany indrindra araka ny fomba sivily tany Libanona teo amin'ny tany Libaney, anatinà firenena iray izay ny fanambadiana ara-pinoana irery ihany no afaka natao hatrizay, ary any ny sorapiankohonana dia ny manampahefana ara-pivavahana ihany no manome azy. Milaza izy roa avy nampakarina fa ara-dalàna manaraka ny lalàna Libaney ny fifanarahan'izy ireo, sady napetraka tany amin'ny Ministeran'ny Atitany.