Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Janoary, 2013
Mampisara-Kevitra an'i Bollywood ny Tononkiran'i Honey Singh
Nofoanana ny fampisehoana taombaovao saika ataon'ilay mpiangaly rap Indiana Punjabii antsoina hoe Honey Singh taorian'ny fitakiana antserasera nivezivezy tao amin'ny fifampitam-baovao sosialy. Teraka tao anatin'ilay raharaha fanolanana tao Delhi ny fitakiana antserasera natao tao amin'ny habaka change.org . Miantso ny hanafoanana ny fampisehoan'i Honey Singh ao amin'ny hotely iray ao Gurgaon, Delhi...
Oganda Tamin'ny 2012: 50 Nahaleovan-tena Sy Solombavambahoaka Tanora Indrindra Ho An'i Afrika
Iray amin'ireo taom-pahasambarana teo amin'ny tantaran'i Oganda ny 2012. Fahatsiarovana mamy miainga avy any amin'ny nahalanian'ilay mpikambana tanora indrindra ao amin'ny Parlemantam-Pirenena tamin'ny fankalazana ny faha-50 taona nahaleovan'ny firenena tena.
Bangladesh: Ankizivavy Vazimba Teratany Iray Hafa Indray Voaolana Sy Novonoina
Nisy indray ankizivavy vazimba teratany iray novonoina rehefa avy naolana tamin'ny fomba mahatsiravina tany Bangladesh. Ilay tra-doza, Khomaching Marma (14 taona) dia mpianatra amin'ny kilasy taona faha-8. Ity fanolanana sy famonoana feno habibiana ity dia nanaparitaka indray ny hatezerana sy ny haromontana nanerana ny firenena. Nanao hetsi-panoherana koa ireo mpisera anaty aterineto.