Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Marsa, 2012

16 Marsa 2012

Maraoka: Namono Tena Ilay Zaza Tsy Ampy Taona Noterena Hanambady Ny Lehilahy Nanolana Azy

Amina, vehivavy 16 taona avy any Larache any Avaratr'i Maraoka, noterena hanambady ilay nanolana azy, dia namono tena tamin'ny fisotroana poizim-boalavo tamin'ny Sabotsy lasa teo. Araka ny voalazan'ny al-Masa'a [Ar], Amina dia naolan'ny lehilahy zokony 10 taona, raha vao 15 taona monja izy. Ary mba hitandrovana ilay antsoina hoe "voninahitry...

14 Marsa 2012

Rosia: Firaisana ara-nofo, Vehivavy, Putin ary ny Lahatsary

Akon'ny RuNet

Toa nanjavona ireo tovovavy niantso sy nanentana mba hiboridana ho an'i Putin tamin'ny fahavaratra lasa teo. Koa satria efa hifarana ny fotoam-pifidianana any Rosia, ndeha asiana topi-maso kely ny fomba nivoaran'izany fihetsiketsehana izany, sy ny fomba nampirisihany ireo vehivavy hafa - na manohitra an'i Putin na momba azy - hanana...

11 Marsa 2012

Puerto Rico: Fanentanana Ety Anaty Aterinto Ho Fanatsaharana Ny Césarienne tsy misy ilàna azy

"Césarienne tsy misy ilàna azy" no anarana nomena ilay fanentanana natomboka tamin'ny herinandro voalohany amin'ity volana Martsa ity tao Puerto Rico, hikendrena indrindra ny mba hampihenana ny taha ambony loatran'ny fiterahana ampiasnana ny fandidina "césarienne" ao amin'ity firenena ity : maro amin'izy ireny no zavatra efa nomanina, atao hoe "C-sections"...

09 Marsa 2012

Korea: Mitaky ny Zo Hahazo Manao Pataloha Ireo Mpanamory Ara-barotra

Tamin'ny Andro Manerantany Ho an'ny Vehivavy dia nanao tafatafa ho an'ny mpanao gazety ireo mpanamory ara-barotra avy amin'ny iray amin'ireo zotram-piaramanidina goavana indrindra ao amin'ny firenena,teo anoloan'ny tranoben'ny Kumho Asiana hangataka ny hahazo hanao pataloha. Tonga marobe naneho ny fanohanany ireo Korena mpampiasa aterineto.

Iran: Lavin'ireo Vehivavy Ny Rakakaben'ny Ady

Ny fitondrana Islamika Iraniana dia nanao tsinontsinona ny Andro Manerantany Natao Ho An'ny Vehivavy efa nandritra ny ho telopolo taona mahery. Tsy mampihatra ny 8 Martsa io firenena io, ary mandràra mihitsy ireo fikambanam-behivavy aza mba tsy hankalaza izany andro izany. Saingy isan-taona ireo vehivavy Iraniana, na izany eo amin'ny...

08 Marsa 2012

MENA: Sarimihetsika Salafista Sahala Amin'Inona no Hojerenao?

“Ny zavakanto rehetra dia vokatry ny fotoana namoronana azy, ary mitaratra io fotoana io raha tiany ilay izy na tsia, eny fa na dia miezaka ny hitsoaka izany aza izy ka miafina anaty nofinofy,” hoy ny nosoratan'i Stephen Whitty. Ary tsy hafa amin'izany ny sarimihetsika eto, ary ny anarany dia...

07 Marsa 2012

Goatemala: Famporisihana Ireo Vondrom-piarahamonina Amin'ny Alalan'ny Milina Voizin-tongotra

Maya Pedal dia fikambanana iray ao Goatemala izay manokan-tena amin'ny fitondràna fampandrosoana amin'ny alalan'ireo bisikilety efa avy nampiasaina. Ireo izay mbola azon-dry zareo tsaboina, dia mahazo aina vaovao indray satria lafo ny fitaovam-pifamoivoizana eny an'arabe ao Goatemanala ary ireo izay tsy ho azo ampiasaina intsony kosa dia avadika ho milina...

Pakistana : “Oscar” Iray Ao Pakistana

Tsy ela akory izay, Sharmeen Obaid Chinoy, mpanao gazety iray mizaka zom-pirenena Kanadiana sy Pakistane sady mpamokatra horonantsary fanadihadiana no nahazo ny loka "Oscar" momba ny horonantsary (fohy) fanadihadiana tsara indrindra.. Ny horonantsariny fanadihadiany mitondra ny lohateny hoe Saving Faces (na Manavotra Ny Tava), dia mampiseho ny vokatry ny herisetra...

03 Marsa 2012

Lahatsary Misongadina: Fiarovana Ny Zon'Olombelona

Andian-dahatsary mahaliana sy vao haingana nataon'ny Global Voices ho fiarovana ny zon'olombelona ka tafiditra amin'izany ny zon'ny vazimba teratany sy ny vaovao faramparany avy any Amerika Latina, Azia Atsinanana, Eoropa Andrefana ary Afrika atsimon'i Sahara izay nofantenin'i Juliana Rincón Parra.