Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Septambra, 2015
Mividiana Penina Iray, Manavota Aina Iray. Nanainga Hetsika Fanangonam-bola Ny Raim-pianakaviana Siriana Iray
The #BuyPens campaign is a collaborative effort to help a Syrian refugee father, recently photographed selling a handful of pens in Beirut, Lebanon. ............. Ezaka Fiaraha-miasa iray mba hanampiana raim-pianakaviana Siriana mpitsoa-ponenana iray ny #MividianaPenina, fakàna sary vao haingana fivarotana ireo penina eran'ny tanana tao Beirut, Lebanon.
Na eo Aza Ireo Fanoherana, Manosika Ny Fanaovan-dalàna Momba ny Hery Fiadiana, Izay Miteraka Resabe, I Japana
Eto alohan’ny Antenimiera. Aiza no hizoran’ity firenena ity, manontany tena aho? 15 Jolay 2015: andron'ny tahotra.
Taona Iray Lavitra An'i Siria
Inona no nitranga tamin'ny Siriana iray mpikatroka mafàna fo, sy ireo idealiny rehefa injay izy nialokaloka tany ivelan'ny fireneny rotiky ny ady?
Voalaza Fa Maty Ilay Reninà Palestiniana Zaza Menavava Maty May Nandritry Ny Fanafihan'ny Voanjo Tao Cisjordanie
Maty noho ny ratra nateraky ny fanafihana fandoroana nanjo ny tranony nataon'ireo voanjo Israeliana tamin'ny 31 Jolay i Riham Dawabsheh. Maty nandritra ilay fanafihana i Ali, zanany lahy 18 volana , niteraka hatezerana tany amin'ilay faritra bodoin'i Israely.
Herisetra Sy Tetidratsy Mahafaty : Inona No Mitranga Ao Tajikistan?
Angamba 26 no maty ary mihoatra ny 50 no voasambotra. Fa inona no lojika izay mitarika ny ady mitohy ao Tajikistan?
Manitsakitsaka lalàna ao Rosia ny mizara ity sarimiainan'i ‘Donald Duck’ nahazo Oscar ity
Nandalo ny lalana mafy ny lehilahy roa nahita fa tsy azo aely ao Rosia ny sarimiaina anti-fasista navoakan'i Disney tamin'ny 1942 mitondra ny lohateny hoe : "Der Fuehrer’s Face."
Karatra Fandefa Paositra Avy Any San Salvador: Ny Jadona Saro-takarina Ataon'ny Andian-jiolahy
"Vinavinaina ho manodidina ny 500.000 hatramin'ny 600.000 ireo Salvadoriana mifandrohy amin'ny (andian-jiolajy) maras, na amin'ny fomba mivantana, na ankolaka—eo amin'ny 10 isanjaton'ny mponina eo."
Tsy Tany Kairo Nanatrika Ny Kaonferansa Momba Ny Ady Lehibe Faharoa Ny Filoha Mao. Koa Nahoana Ny Sariny No Ao Anaty Afisin'ilay Sarimihetsika?
Maro no mino fa nampiasain'ny Filoha Xi Jinping ny "Fanambaràn'i Kairo" sy ny matso miaramila amin'ny 3 Septambra mba hamerenana manoratra ny tantaran'ny firotsahan'ny Antoko Kaominista Shinoa tamin'ny ady nanosehana ny Japoney.
Nahoana Ireo Vondrom-piarahamonina Teratany Ao Meksika No Mila Fiarovan-tena Ho An'ny Vondrom-piarahamonina
"Ankehitriny, tsy hoe miaritra ny setrasetran'ireo vondrona mpanao heloka bevava fotsiny ny vondrom-piarahamonina, fa ihany koa ny an'ny Polisy Federaly ary ny Tafik'i Meksika."
Syriana mpitsoaponenana ao Torkia aho, saingy nanapakevitra ny hody an-tanindrazana
Koa satria heniky ny tatitra misy ireo mpitsoaponenana mananda ny fiainany hiampita an'i Eoropa ny vaovao, dia misy Syriana Kiorda iray izany nahazo fialofana tao Torkia nanapa-kevitra ny hiverina hody.