· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Novambra, 2012

Ligy Arabo Mikasika An'i Gaza: “Blah Blah… Blah Blah Blah”

Mihaona ao amin'ny foibeny ao Kairo ny Ligy Arabo mba handinika ny momba an'i Gaza - ary tsy avy miaina ireo mpikirakira aterineto, na miandrandra vokatra tsara amin'ny mety ho fandraisana fepetra henjana.. Sultan AlQassemi tweets: "Fanavaozam-baovao mivantana avy amin'ny fivorian'ny Ligy Arabo momba ny herisetra ataon'i Israely ao Gaza: Tsy leferinay ny blah blah! Tsy maintsy izahay hijoro miaraka amin'ny blah blah bah.."

Maika Hihaona Momba an'i Gaza Amin'ny Ahoana ny Ligy Arabo?

Nandefa fampiantsoana ny Filan-kevi-piarovana ao amin'ny Firenena Mikamba ary nanatontosa fivoriana maika tamin'ny Alarobia alina teo mba hiresaka momba ny fanafihana an'habakabaka niseho farany teo tao Gaza, sy ny vokadratsin'ny fanafihana tifitra balafomanga nataon'ny Hamas tao Israely. Nilaza kosa ny Ligy Arabo tetsy andaniny fa hihaona izy ireo amin'ny Asabotsy...

“Niraraka Toy Ny Orana Ny Baomba Tao Gaza”

Tsy natory i Gaza nandritra ny alina satria nanohy nanafika ny Palestiniana i Isiraely. Nanomboka ny toe-draharaha raha nifampitifitra i Isiraely sy Gaza – izay mbola mitohy hatramin'izao – rehefa matin'i Isiraely nandritra ny fanafihana an'habakabaka an'i Gaza ny mpitarika ara-miaramilan'ny Hamas antsoina hoe Ahmed Al-Jabari [afak'omaly]. Araka ny tatitra...

Ny Fientanentanana Faran'ny LiveJournal, Miaraka Amin'ny Famelàn'ny Hery Manokana Rosiana

Akon  14 Novambra 2012

Noforonin’olona tsy nitonona anarana ny bilaogy LiveJournal hardingush [ru] tamin’ny 15 Septambra 2012. Mbola tsy nisy roa volana akory izay, ilay bilaogy, mitondra ny lohateny hoe Spetsnaz Ingushetii (Ny tafika manokana Ingush), dia laharana faha-425th[ru] ao amin’ny fandaharana ankapoben’ny mpampiasa LJ. Nametraka tsikera mihoatry ny 4,000 tanatin’ireo lahatsoratra samihafa ao anatiny ireo mpampiasa aterineto. Ny efatra tamin’ireo lahatsoratra ireo dia tafiditra tao amin’ny lisitr’ireo 25 voalohany [ru] amin’ny mpitoraka bilaogy Kaokaziana tavaratra tamin’ny volana Oktobra. Fa iza marina moa no ao ambadik'io bilaogy io?

Inona Ny Anjara Asan'ny Tafika Eto Afrika ?

  11 Novambra 2012

Matetika ny Tafika no nitana anjara toerana nampiova zavatra saingy manalasala teo amin'ny fiainana politika teto Afrika. tanelanelan'ny taona 1950 sy 2000, 53 ny firenena afrikana nizaka fanonganam-panjakana 85 izay tonga tamin'ny fiovan'ny fitondrana. Taorian'ny fiatoana kely nandritra ny taompolo 90, mbola fanta-daza tamin'ny fisiana fanonganam-panjakana be indrindra nandritra ny taompolon'ny taona 2000...

Nanafika An'i Yemen Ireo ‘Drones’ Amerikana Andro Iray Taorian'ny Nandresen'i Obama

Tsy ampy 24 ora akory taorian'ny fahalanian'i Obama ho Filoham-pirenena, nivoaka ireo vaovao mikasika ny fanafihana vaovao indray nataonà 'drone' tany Yemen. Tany amin'ny vohitr'i al-Sarin any Sanhan no nitrangan'io fanafihana io ka namono an'i Adnan al-Qadhi, Rabeaa Lahib sy Radwan al-Hashdhi, ary nandratra hafa, isan'izany ny ankizilahy iray. Nefa, tsy mitovy amin'ireo teo aloha ity fanafihana ity satria latsaky ny 40km miala ny renivohitr'i Sanaa i Sanhan Sanaa ary tanindrazan'ilay filoham-pirenena teo aloha, Ali Abdulla Saleh. Mpampiasa aterineto Yemenita maro no taitra sy ontsa.