Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Avrily, 2019

Afovoany Atsinanana: Malahelo noho ny fanafihana tany Mumbai

Ao anatin'ny alahelo sy ny fahatairana tamin'ny fanafihana an'i Mumbai, mametraka fanontaniana marobe ny bilaogera manerana ny tontolon'ny Arabo.

Nepal: Mirehitra i Madhesh

Efa taonjato maro ireo Madhesi no natao anjorom-bala. Ao anaty fitroarana izy ireo ankehitrin, izay tsapa ho toy ny ampahany faharoa eto amin'izao tontolo izao manetsika ny Revolisiônan'y Aprily [...] Raha ampahany ao anatin'i Nepal i Madhesh, dia nahoana ireo Madheshis no tsy omena vintana ho afaka hanao raharaha miaramila?

Miady hevitra ny blaogy Bangla: Saddam sa i Bush? – iza no meloka indrindra?

Nifarana tamin'ny vaovao lehibe mikasika ny famonoana an'i Saddam Hussein tany Iràka ny taona 2006. Sary maro momban'ny fanantonana azy nohita tao amin'ny Aterineto, izay nahaketraka olona maro. Nangotraka fihetseham-po maro nanoloana ilay zava-nitranga ny tontolom-blaogy.

Manaratsy ny Toerana misy ny Fitondran'i Azerbaijan ny Hetsipanoheran'ireo Reny any Nagorno Karabakh

Nanome toky ny hanome fanonerana ho an'ireo fianakaviana izay nankasitrahana tanatin'ny lahateny ofisialy noho ny aina nafoiny ny fanjakana. Avy eo dia navelany ho diso fanantenana izy ireo.

Manambara Ny Fitokonany Tsy Hisakafo Ao Amin'ny Fonja Foibe ao Hama Ireo Gadra Syriana Noho Ny Fahatongavan-Tsainy

"Tsy nanana lasa politika na antoko aho. Naniry fotsiny Siria iray vaovao aho, ka nanatevin-daharana ireo mpiray tanindrazana amiko nandeha nanao hetsika am-pilaminana teny an-dalambe."

Bilaogeran'ny herinandro: Salam Adil

Taorian'ny lahatsoratra 90 nivoaka ara-potoana ao amin'ny Global Voices, dia nanjary fantatry ny rehetra ny fiangavian'i Salam Adil: Raha tsy mamaky lahatsoratra hafa ianao amin'ity herinandro ity, dia vakio ity. Bilaogera nanomboka tamin'ny volana Mey 2005, nanatevin-daharana ny GV niaraka tamin'i Iràka i Salam tamin'ny fiandohan'ny taona 2006.

‘Tsy namono olona ny tafika,’hoy i Bolsonaro raha nitifitra fiaram-pianakaviana in-80 tao Brezila ny miaramila, ary nahafatesana olona iray

"Tsy namono olona ny tafika, ​​avy amin'ny vahoaka ny tafika, ary tsy afaka miampanga vahoaka ho namono olona ianao. "hoy ny filoha Jair Bolsonaro ao Brezila

Ny vehivavy no mitarika ny hetsi-panoherana any Sodana

"Eo anoloana, eo ankavia ary eo afovoan'ny revolisiona ny vehivavy. Rehefa nanomboka nanao hetsi-panoherana ny olona dia heno ny feo toy ny hoe: 'Tokony hijanona any an-trano ny vehivavy.' Fa - tsia hoy izahay.

Côte d'Ivoire: Lahatsary vaovao manome ny antsipirian'ny fisamborana ny filoha teo aloha

Asehon'ny lahatsary ny ampahany tamin'ireo fizotran'ny raharaha nisamborana an'i Gbagbo, nanomboka hatrany amin'ny nidarohan'ny Tafika Manokana Frantsay ny tranony ka hatrany amin'ny famindrana ny fianakavian'i Gbagbo ho ao amin'ny Hotel du Golf.

Bilaogera Arabo nitaky ny famotsorana ireo mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona tany Syria

Fanambarana navoakan'ny mpandray anjara tamin'ny Fivorian'ny Bilaogera Arabo Fahaefatra, manohana ny famotsorana an'i Razan Zaitouneh, mpisolovava mpiaro ny zon'olombelona sady mpiara-manorina ny Foibe Mitatitra ny Fanitsakitsahana ny Zon'olombelona ao Syria .