· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Avrily, 2018

Thailandy: Famoriam-bahoaka sy ny vaovao farany ao amin'ny Twitter

  17 Avrily 2018

Mihodidina ny tranoben'ny Parlemanta ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta ao Thailandy tamin'ny alatsinainy maraina. Notarihan'ny Firaisam-bahoaka ho an'ny Demokrasia (PAD), te-hanongana ny governemanta ireo mpanao hetsi-panoherana. Nafindra vonjimaika tany amin'ny Seranam-piaramanidina Don Mueang ny biraon'ny filoha ao amin'ny firenena.

Kambôdza: Moanina Nosakanana Tsy Hanangona Sonia

  12 Avrily 2018

Miresaka mikasika ilay fanaparitahana feno herisetra an'ireo moanina izay naniry ny hanao fanangonantsonia tao amin'ny Masoivoho Vietnamiana tao Phnom Penh noho ny fitazonana tsy ara-drariny ny moaniana Kambôdziana iray, sy ny fibodoan'i Vietnam ny faritanin'i Kambôdza tamin'ny lasa, ireo bilaogera ao ivelany sy anatin'i Kambôdza.