Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Aogositra, 2017

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Aogositra, 2017

Bukavu Sy Ny Sisintany Roandey-Kongoley: Tanàna Iray Eo Anivon'ny Ady

Tsy mbola nitondra ny fahalemana sy ny fahamarinan-toerana nampanantenainy foana ireo fifidianana izay ho filoham-pirenena. Manontany tena i Kakaluigi raha toa ny filohan'i Kongo, Joseph Kabila, ka manaraka ireo tombontsoan'ny vahoakan'i Bukavu na ireo an'ny fanjakàna roandey.

Iran: Ahiahy Momba Ny Ady Sy Ny Zon'olombelona

Mitombo isanandro ny ahiahy ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Iraniana momba ny ady eo amin'i Iran sy Etazonia.

Mivoy Manohitra Fandotoana: Iraka Tontosain'ny Lehilahy Iray Ho Fitahirizana Ireo Renirano Ao Iràka Ho An'ny Taranaka Hoavy

Nandritra ny fito taona lasa izay, nanao fitsangatsanganana i Nabil Musa, manodidina an'i Iràka - manatontosa iraka iray tanterahanà lehilahy iray hanentanana momba ny maha zava-dehibe ny fahadiovan'ny renirano ho an'ireo taranaka ankehitriny sy ho avy.

Ny Loza Mahazo ny Zavaboary Sy Ny Hita Ao Amin'ny Bilaogy WildlifeDirect

Tsy tena nahomby ny fikasana hamono ny lehiben'ny vondrona mpikomy Lords Resistance Army (LRA) Joseph Kony tao Oganda. Etsy andaniny kosa dia miha-maro ireo sivily niharam-boina. Nisy ny loza niseho nandrava ny Fiarovana ny Zavaboary dia ny fanafihana ny Mpiambina ny Valan-javaboary Garamba nataon'ireo mpikomin'ny LRA tamin'ny 2 Janoary 2009.

Sahara Andrefana:  Fahitalavitra Sahrawi Vaovao Mandeha amin'ny Zanabolana

Ity no andrana voalohany itaterana ny tontolon'ny bilaogy Sahrawi. Iray amin'ireo tantara tena sarotra ny momba an'i Sahara Andrefana ary matetika lasa aloha ny fihetseham-po isaky ny misy ny fifanakalozan-kevitra momba izany. Hanandrana ny fitantarana araka ny fijery Sahrawi araka izay azo atao ho fanajana ny mahaolombelona izahay...

Mitsimpona Ireo Potipotiky ny Tanàna Syriana, Arbin, Taorian'ny Daroka An-habakabaka Nahafaty Nandritra ny Fampiatoan'ady

"Fanitsakitsahana ireo fitsipika sy lalàna iraisam-pirenena io zavatra natao io, fanapahana ny fifanarahana fampitsaharana ny ady."

Ny Herinandro Tao Amin'ny Bilaogy Palestiniana: May Izao Tontolo Izao

Raha manatelina an'i Libanona ny lelan'ny ady, mbola mitohy ny fanafihana an'i Gaza. Maro amin'ireo namoy ny ainy no zanaka Palestiniana, ny sasany zara raha herintaona monja, ary satria mikarakara handevina azy ireo ny fianakaviana, mametraka fanontaniana lehibe i Haitham Sabbah hoe: "Ahoana no hanadinoantsika? Ahoana no hamelantsika heloka? "

Tontolon'ny Bilaogy Soahily (Swahili): Feon'ny Fahendrena, Asa Fampandrian-tany Ary Ilay Mpanjaka Farany Tany Ekaosy

[...] Ny iray amin'ireo hevi-dehibe amin'ny adihevitra hatreto dia ny fisafidianana izay ho mpikambana. Misy mpitoraka bilaogy mangataka hoe misokatra ho an'ny mpitoraka bilaogy fotsiny, raha ireo hafa kosa mangataka ny hanomezana alalana ireo mpaneho hevitra mavitrika mba ho mpikambana ao.

Shina: Mpanao Fihetsiketsehana Nosamborina Noho Ny Sora-bavety Miresaka Zon'olombelona Tao Amin'ny Fihetsiketsehana Tsy Tia Japana

Nampiseho ny fisamborana ireo mpanao hetsi-panoherana miisa telo tao Shenzhen izay nanao fihetsiketsehana am-pilaminana teo afovoan'ireo mpanao fihetsiketsehana tsy tia Japoney an'arivony omaly fa nanara-maso tsara sy nahafehy ny hetsi-panoherana ny mpitandro ny filaminana.

Myanmar : Tapaka ny Aterineto

Manohana faobe an'ireo fihetsiketsehana ankehitriny ny bilaogera Birmana ary feno sary sy vaovao momba izany fihetsiketsehana izany ny tontolon'ny bilaogy Birmana. Noho izany antony izany, nanapa-kevitra handràra ny bilaogy politika, ny fitondrana miaramila, vokatr'izany, voaràra avokoa ireo bilaogy hafa ao Myanmar.