Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Jona, 2017
Ao Al-Waer, Siria, Mitambesatra Amin'ireo Mponina Ny Tsy Fahazoana Antoka ny Famindràna Toerana
“Mamelà ahy, ry dada, tsy safidiko velively ny handeha.”
Handeha sa Hijanona, Safidy Mametraka an'ireo Siriana Ao Al-Waer Manoloana ny Hoavy Tsy Azo Antoka
Miala ny tanàna farany namahàrany ireo mpihoko sy ny fianakaviany, tanàna nomena anarana hoe "“ilay renivohitry ny revolisiona”. Ity ny sasantsasany amin'ny tantaran'izy ireo
Frantsa, Amerika, Afrika: Ny Loka “Y'a Bon”
Tamin'ny 17 Martsa 2009, nanomboka ny "Loka Y'a Bon " ny vondrona antsoina hoe les Indivisibles [Fr] , fanomezam-boninahitra iray hafa kely, izay natolotra ho an'ireo mpanao politika, mpanao gazety, sy mpiasam-panjakana izay nandray anjara tamin'ny fanelezana ny fanavakavaham-bolokoditra tao Frantsa.
Ejypta: Namoy ny Ainy Ny Jeneraly Saad El Din El Shazly
Namoy maherifo tsy notantaraina tamin'ny ady Oktobra 1973 antsoina hoe Saad El Din El Shazly i Ejypta. Tao amin'ny Twitter, nanome voninahitra ny lehilahy voaroaka tamin'ny asany... taorian'ny fitsikerana ampahibemaso ny Fifanekena Camp David, nosoniavin'ny filoha Ejiptiana teo aloha Anwar Sadat ny sioka.
SARIPIKA: Olona Mihoatra Ny 70.000 No Nafindra Toerana Noho Ny Fifandonana Teo Amin'ny Miaramila Filipina Sy Ny Vondrona Ahiana Ho Tohanan'ny ISIS
Nandositra ny tranony tao an-tanàndehiben'i Marawi ny fianakaviana an'arivony mba tsy ho tratran'ny fifampitifirana .
Asehon'ny Tetikasa Fakan-tsarin'ny Mpianatra Makedoniana Ireo Toerana Sasany Tamin'ny Ady Lehibe Voalohany sy ny Endriny Ankehitriny
Manambatra ny zava-misy eny an-dalambe ao amin'ny faritra atsimon'iny tanàndehiben'i Bitola Makedonia nandritra ny Ady Lehibe I sy ny zava-misy amin'izao fotoana izao ny fampirantiana sary.