Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Novambra, 2015
Namela Olom-pirenena Nifindra Toerana sy Fanànana Simba Ny Fihazàna an'i “El Chapo Guzmán ” Ilay Mpivarotra Zava-mahadomelina An-tsokosoko tany Meksika
Ny olona nifindra toerana ao anatiny sy ny fananana simba any amin'ny faritra Avaratr'i Meksika dia vokatry ny fifandonana teo amin'ny tafika sy ny andian-jiolahy mba hisamborana indray ilay lehiben'ny fikambanana mpivarotra zava-mahadomelina iraisam-pirenena any Sinaloa.
#FreeBassel: Tsahoana Hosaziana Ho Faty Ilay Syriana Injeniera Informatika
Niely ny tsaho fa nahazo sazy ho faty avy amin'ny governemanta Syriana ilay injenieran'ny rindrambaiko Syriana-Palestiniana any am-ponja Bassel Khartabil, fantatra amin'ny anarana hoe Bassel Safadi.
Taorian'ny Fanafihana Tao Parisy: Ho Firaisan-tsaina, Tsy Afaka Hifanavakavaka
" Rehefa niakatra sy nidina tao amin'ny Facebook, namaky ireo fihetsehampo, fijoroana vavolombelona, fomba fijery, antontanisa, hitako fa ireo olona avy amin'ny lokon-koditra rehetra no tena voadona tamin'ireo fanafihana, avy aminà zompirenana 15."
Tao Anatin'ny Fotoana Mangidy Indrindra Ho Azy No Namiràtan'ny Tsara Indrindran'i Parisy
"Ao anatin'ny fotoanan'ny fahoriana, mivoaka ny tena toetra marin'ny vondrom-piarahamonina iray. Ho an'ireo manolotra #PorteOuverte, mahatonga ahy hirehareha amin'ny maha-olombelona ahy ianareo."
Haiko tahaka ny araben'i Beirota ny araben'i Parisy
'Mila miresaka ireo zavatra ireo isika. Mila miresaka Hazakazaka isika. Mila manao izany fotsiny.'
Vazimba Teratany Lumad Ao Filipina Miampanga Ny Fanararaotana
“Nopotehan'ny Tafik'i Filipina ny sekolinay. Nodoran'izy ireo ny kaoperativam-pambolenay. Niainako ny famonjàna ary ankehitriny miatrika fiampangana noforomporonina avy amin'izao zavatra rehetra izao hoe nanao fakàna ankeriny. Malahelo ny tanin'ny razanay izahay."
Miaro An'i Gaza Amin'ny Fampiasàna ny Sabatra Roalelan'ny Media Sosialy
Palestiniana mpampiasa matanjaka ny media sosialy i Omar Ghraieb, mitantara ny làlany tao anatin'ireo làlana be fitakin'ny media sosialy.
GV Face Avy Any Gaza: Miaina sy Mitoraka Bilaogy Eo Ambanin'ny Fibodoana
Amin'ity fotoana ity, miresaka amin'i Omar Ghraieb izahay, mpitoraka bilaogy malaza sy mpanao gazety mipetraka ao Gaza. Miresaka ny mombamomba ny fiainana ao amin'ny faritra voabodo sy ny fijanonana amim-panantenana lalandava i Omar.
Any Okinawa Ka Hatrany Amin'ny Firenena Mikambana, Mbola Mitohy Hatrany Ny Hetsika Manohitra Ny Toby Miaramila Amerikana
Nankany amin'ny Firenena Mikambana ny Governoran'i Okinawa, Takeshi Onaga, mba hitatitra ireo fanitsakitsahana zon'olombelona lazainy fa nataon'ny governemanta Japoney sy Amerikana.
Mihalalina Ny Krizy Ao Burundi
"Manara-dia tanteraka ny nizoran'ny teo aloha nodimbiasiny mialoha indrindra ny nidiran'ny rivotry ny demaokrasia tao anatin'ny tontolo ara-politika Borondey tamin'ny 1992 izy ireo."