Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Septambra, 2015
Mampifanatona Hifanakaiky Kokoa Ny Fara-andron'ny “Lalampanorenan'ny Fandriampahalemana” ao Japana
Nilahatra nameno ny arabe ireo mpanao hetsi-panoherana, ary nanjaka tao amin'ny antenimiera Japoney ny sakoroka satria nikasa hampandàny ny lalàna vaovao izay hanome alàlana an'i Japana handeha hiady ny governemanta iaraha-mitantana tarihan'ny Praiminisitra Shinzo Abe
Mafana indray ny raharaha Kiorda ao Torkia
Toy ny fahatsirovana efa ela dia ela sisa ny fampitsaharan'ady notarihan'ny AKP teo amin'i Torkia sy ireo Kiorda mpiady nifanaovana tamin'ny taona 2012 noho ny firongatry ny herisetra indray.
Japoney Maro No Gaga Fa Vitsy Ny Mpitsoa-ponenana Eken'ny Fireneny Raisina
"Izay rehetra manohana ny demokrasia parlemantera mifototra amin'ny lalàm-panorenana dia tsy tokony hanao tsinontsinona ny zava-tsarotra mahazo ireo mpitsoa-ponenana."
Niteraka Fahatezerana Manerantany Ilay Mpanao Gazety Hongroà Nandaka Syriana Mpitsoa-ponenana
Hita mazava tsara mandaka ankizy roa nihazakazaka miaraka amin'ny ray aman-dreniny i Laszlo ao anatin'ny lahatsary. Ary mamingana lehilahy lehibe iray miaraka amin'ny zanany izay nianjera avy eo
Grand Theft Auto Sy Mihoatra izany : Ny Zava-Misy Mampalahelo Momba Ny Fiainana Ao Amin'ny ‘Repoblika Entim-Bahoakan’i Donetsk’

Mampiseho ny tena helo ho an'ny olon-tsotra any amin'ny faritra fehezin'ny mpisintaka amin'ny ilany atsinanan'i Okraina ny tahirin-kevitra navoakan’ny ‘Anonymous International’ tamin’ity lohataona ity.
‘Mihoatra noho ny firaisankina tsotra’: Fanomezana avy ao Portiogaly ho an'ny Syriana mpialokaloka ao Hongria
Misy valalamanjohim-piara firaisankina handray fanomezana avy ao Portiogaly hoan'ny mpitsoa-ponenana ao Hongria. Natsangan'ny vondron'olompirenena iray nanome anarana azy ho Valalamanjohy Aylan Kurdi ny fisantaran'andraikitra ho fanomezam-boninahitra azy.
Manao Famangiana Tselika Ilay Iraniana Nianjeran'Ilay Vy Avobe Fibatàna Enta-Mavesatra Ny Mpanjaka Saodiana
Mamangy ilay Iraniana nianjeran'ilay fitaovana vy be fibatàna entana mavesatra tany Lameka, izay nahafaty mpanao fivahinianana masina 107 tamin'ny Zoma ny Mpanjaka Saodiana, Salman. Lazain'ny sasany fa fanazarantena ho an'ny PR izany , ny hafa kosa midera an'i Salman.
Namono olona 12 ahitana Meksikana mpizahatany 8 i Ejipta dia niala tsiny avy eo
Meksikana mpizahatany valo miaraka amin'ny efatra hafa no maty voatifitry ny angidimby tao amin'ny toerana iray malaza eo amin'ny samy mpizahatany, ao amin'ny Tanihay Andrefana, ao Ejipta. Fa nahoana no lasibatra ry zareo?
Mahazo Fandrahonana Ho Faty Avy Amin'Ireo ‘Mpiambina ny Jihad’ Ireo Mpanao Gazety Mpitatitra Ao Mali
Mandrahona hamono ireo mpanao gazety miasa ho an'ny media vahiny izay mitatitra mikasika an'i Mali ny vondrona mpitolona iray .
Tiorkia: Iharan'ny Onjam-panafihana Nefa Mitohy Ihany Ny Fitokonan'ny Mpitandro Filaminana Ao Afovoany Atsinanana
Koa satria mihalehibe hatrany ny ady sy fifandirana izay maharomotra an'i Tiorkia amin'ireo firenena manakaiky azy, dia miharatsy ny fandriampahaleman'ny mponina ao aminy.