Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Aogositra, 2015
Any Venezoala, Na Ireo Polisy Aza Manao Diabe Manohitra Ny Tsy Fandriampahalemana
Tsy misy antra mihitsy ny herisetra ao Venezoela. Na amin'ireo mpampihatra ny lalàna aza, izy ireo izay nanao hetsi-panoherana tao Caracas, na teo aza ny fandraràn'ireo manampahefana sy ny fahanginan'ny media.
Refodrefotra sy poa-basy tao amin'ny lapa Dolmabahçe ao Istanbul
Lehilahy roa voalaza fa mitam-piadiana no voasambotra taorian'ny refodrefotra sy ny poa-basy nanakoako tao amin'ny lapa Dolmabahçe ao Istanbul, toerana manintona ny mpizahatany sady misy ny biraon'ny praiminisitra Tiorka Ahmet Davutoglu.
Fantadaza iray amin'ny fanaovana fihetsiketsehana ao Iran manatevin-daharana ny fanoherana ny fifampiraharahana ara-nokleary
Niteraka resabe tao amin'ny media sosialy vao haingana noho ny fiampangany miharihary ny fifampiraharahana ara-nokleary nosoniavina tamin'ny 14 Jolay teo amin'i Iran sy ny P5 + 1 i Batebi.
Nagasaki : Fitsidihana Amin'ny Alàlan'ny Sarintany Ny Taloha Sy Ny Taorian'ny Baomba
Fiaraha-miasanà tranonkala mifototra amin'ny Google Earth ary mampiseho an'i Nagasaki- taloha sy taorian'ny daroka baomba atomika tamin'ny 9 Aogositra 1945 ny Nagasaki Archive.
Hahazo Ny Rariny Ihany Ve Ireo Niharam-boina Tamin'ny Fitondrana Jadon'i Pinochet?
Mino aho fa zava-dehibe hoan'ny firenentsika ity tsy fanajana intsony ny fifanaraham-pahanginana taorian'ny taona maro ity. Taloha sy taorian'ny tolona ho an'ny zon'olombelona izany.
Nosakanan'i Rosia Ny Lahatsarin'ny Euronews Iray Noho ny Fanehoan-kevitry Ny Mpiserasera “Extremista” Iray

Nanakana lahatsary Youtube iray hafa indray ireo mpanivana Rosiana na dia tsy nandika ny lalàna Rosiana aza izany lahatsary izany fa fanehoan-kevitry ny mpiserasera iray tao amin'ny lahatsary no nahatonga ny Roscomnadzor handràra ny pejy manontolo.
Taorian'ny Fipoahana Baomba 2 Tao Bangkok, Niara-nientana Ny Mpiserasera Thailandey
Fipoahana roa no namely ny afovoan-tanànan'i Bangkok roa andro lasa izay, ka olona 20 no namoy ny ainy ary an-jatony ireo naratra.
Tsy Ireo Vondrona Mpikirakira Rongony Intsony No Loza Lehibe Indrindra Mitatao Ho An'ireo Meksikana Mpanao Gazety
Ankehitriny, ireo tomponandraiki-panjakana sy polisy no ahiahiana ho nanao ny ankamaroan'ireo fanafihana mpanao gazety.
10 Volana Aty Aoriana, Manao Diabe Manerana an'i Meksika Ireo Fianakaviana, Mitady Ireo Ayotzinapa Mpianatra Tsy Hita
Milaza ireo ray aman-dreny fa niaina tao anatin'ny helo izy ireo tao anatin'izay 10 volana izay, kanefa noho ny fanohanan'ireo Meksikana maro, manana hery hitakiana ny rariny izy ireo.