Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2015

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Marsa, 2015

09 Marsa 2015

Manaratsy Endrika Fotsiny An'i Japana Ny Fandàvany Ny Andraikiny Naka Olona Ho Andevon'ny Filàn'ny Nofo Tamin'ny Ady Lehibe Faharoa

"Arakaraky ny ilazanareo fa “Tsy misy olana, satria makorelina ry zareo ireny. Sy hoe fifanarahan'olon-tsotra no nitondra azy ireny, fa tsy ny miaramila Japoney," no vao mainka manaratsy endrika anareo"

04 Marsa 2015

Nodoran'ny ISIS Ny Tranom-boky, Simbainy Ny Boky, Boky Sora-tanana Sarobidy An'arivony ao Iràka

Raha namoaka ny lohatenim-baovao ireo tatitra momba ny fanafihana ny Tranomboky Mosul, nilaza ny UNESCO fa efa naharitra volana maromaro ny famotehana trano famakiam-boky, tranom-bakoka ary oniversite.

03 Marsa 2015

Saripika Roa Ambitelopolo Ahitàna An'i Afganistana Vaovao

Aaquib Khan, Indiana mpaka sary fanao an-gazety, nandeha nisidina hijery an'i Kabul renivohitra Afgàna, izay nalaky nivoa be tamin'ny 2014. Nifampizaràny tamin'ny Global Voices izay hitany tao anatin'ny tanàna.

Ny Fanenon'ny Sabatra Faran'izay Maranitra, Naverina Nokiraina Tao Ejipta Mba Hanesoana Ny ISIS

Ejiptiana maneso ny "hiram-pirenen'ny" ISIS tamin'ny alàlan'ny fampakàrana lahatsary tao amin'ny YouTube, ahitàna ireo mpandihy miolankolana amin'ny tonon'ilay hira.

02 Marsa 2015

Mitsidika An'i Gaza I Banksy, Miantso an'Izao Tontolo Izao Hanao Zavatra

Nitsidika miafina an'i Gaza ilay mpanakanto malaza an-dalambe Britanika, Banksy ary namoaka andiana soratsoratra sy kisarisary amin'ny rindrina (graffiti) mampiasaintsaina ary fanadihadiana fohy .

Ankizy Libyana Tsy Nisy Sekoly Nandritra Ny Volana Vitsivitsy, Vehivavy Iray No Nanatona Nampianatra Azy Ireo

Manome fampianarana hoan'ireo ankizy any an-tanindrazany, ao Lybia i Haifa El-Zahawi, Libyana monina ao New York. Amin'ny alalan'ny fifandraisana Skype no anatanterahany izany.

Marina Manelingelina Momba Ny Mossad Ao Israely

Nanambara ampamoaka avy amin'ireo sampam-pitsikilovana manerantany ny gazety Al Jazeera sy ny The Guardian. Indreto ny tantara fohy voalohany mahakasika ny Mossad ao Israely.