Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Febroary, 2015

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Febroary, 2015

Hanome Valisoa (Vola) Mihoam-pampana Hoan'izay Mahafaty Ny Tompon'ny Charlie Hebdo Ilay Mpanao Lalàna Pakistaney

Nilaza i Haji Ghulam Ahmed Bilour fa hanome valisoa 200,000 dolara hoan'izay namono ny tompon'ny gazetiboky ary 100,000 dolara hoan'ireo mpandova ireo mpanafika ny Charlie Hebdo. Antsoin'ny sasany ho fisehosehoana mampidi-dooza ataon'ny PR izany.

Politika Manjavozavo Ao Yemen Mitohy Miaraka Amin'ny Fanambaràna “Tsy Manaraka Lalàm-panorenana” Nataon'i Al Houthi

Raha nisy nyafomanga fankalazàna ilay fanambaràna dia nisy koa fihetsiketsehana ho fanoherana izany tany an-toeran-kafa. Efa miomnana hiatrika fotoan-tsarotra iray mampihazohazo sahady i Yemen.

Manontany Ny Filipiana Hoe ‘Aiza Ny Filoha?’ Rehefa Tsy Tonga Nanome Voninahitra ireo Polisy Maty An'Ady

Polisy efatra amby efapolo no namoy ny ainy nandritra ny bemidina manokana fanenjehana ireo voalaza fa atidoha nikotrika ny fanapoahana baomba tao Bali tamin'ny taona 2002. Tsy nanatrika ny fahatovangan'ny vatana mangatsiakan'izy ireo ny filoha Aquino fa nanatrika hetsika momba ny fiara.

Midika Inona Moa Izany Ny Maha-Olom-pirenena Japoney Taorian'ilay Famonoana Nataon'ny ISIS?

"Namporisihako izy hanatanteraka ny "harakiri". Raha izaho no reniny, dia izay no nataoko — tiako raha mba lasa maherifo ny zanako lahy."

Aza Avela Hamingana Ny Fahalalahana Maneho Hevitra Ao Japana Ny Olana ISIS : Fanangonan-tsonia

Olona maherin'ny 1.000 no efa nanao sonia ilay fanambaràna ety anaty aterineto. Nandritra ilay olan'ny fakàna takalonaina vao haingana teo, niantso ny hanaovana "famehezan-tena" rehefa manakiana ny governemanta ny olona sasany tao Japana

Fihazohazoan'i Yemen

Lasa firenena iray tsy misy filoha sy governemanta i Yemen, izay faritana mazàna ho "fanjakàna tsy alehany". Sahiran-tsaina ireo Yemenita monina ao anatin'ny fireneny amin'ny fivoaran'ny raharaha henjana faramparany teo tao Yemen